Vakio ny Eks. 15:20, Mpits. 4:4; 2 Mpanj. 22:14 ary ny Neh. 6:14. Inona koa no ampianarin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo antsika momba ny asan'ny mpaminany?
Marobe ny porofo ao amin'ny Soratra Masina, izay maneho fa niantso vehivavy ho mpaminany koa Andriamanitra. (Jereo ny fampiasana ny teny hebreo hoe nevi'ah [Eks. 15:20] sy ny teny grika hoe prophētis [Lio. 2:36].) Tanisain'ny Mika 6:4, miaraka amin'i Mosesy sy i Arona, ho isan'ireo nirahin'Andriamanitra ho amin'ny olony i Miriama. Voatondro ho mpaminanivavy izay nanao hiram-pandresena izy, rehefa niampita ny Ranomasina Mena ny Isiraelita (Eks. 15:20,21). Kanefa io mpaminanivavy io, tahaka ireo mpaminany lahy, dia tsy olona tsy manan-tsiny. Maneho izany ny fihetsika tsy mendrika nataony nanoloana an'i Mosesy sy ilay vehivavy Etiopianina vadiny, fihetsika izay nahazoany famaizana tokoa (jereo ny Nom. 12:1-10).
Mahita asan'ny mpaminany iray hafa isika ao amin'ny tantaran'i Debora, izay nanao ny asan'ny mpitsara teo amin'ny Isiraely (Mpits. 4:1-4). Porofo mazava no omena antsika fa naharay fanambarana avy amin'Andriamanitra i Debora (Mpits. 4:4-9, 14-22). Ny hiram-pandresena nataony (Mpits. 5:2-31) dia fankasitrahana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra, ary nanana heviny ara-teolojia lalina ho an'ny firenena iray manontolo tamin'izany andro izany.
Vakio ny 2 Mpanj. 22:11-14. Nahoana ireo mpanompon'i Josia mpanjaka no nankany amin'i Holda? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny anjara asa manan-danja notanan'io mpaminanivavy io teo amin'ny firenena?
Nankany amin'i Holda mpaminanivavy ireo tompon'andraikitra ambony tao amin'ny filan-kevitry ny mpanjaka Josia (2 Mpanj. 22:14; 2 Tant. 34:22), rehefa avy namaky ho an'ny mpanjaka ny tenin'ny "bokin'ny Lalàna" (2 Mpanj. 22:8), izay heverina fa ny bokin'ny Deoteronomia. Rehefa nandre izany ny mpanjaka dia "nandriatra ny fitafiany" - 2 Mpanj. 22:11. Hita taratra amin'izany fa lehibe sy manan-danja io toe-javatra io, ary noraisin'ny mpanjaka ho zava-dehibe tokoa. Izany no antony nanirahany avy hatrany ny olony ho any amin'i Holda. Efa naharay hafatra avy amin'Andriamanitra i Holda mahakasika ny fitsarana ho avy tsy ho ela amin'ny fanjakan'i Joda. Ny hafatra ara-paminaniana nentin'i Holda no nanosika an'i Josia hanao fanavaozana, ka tsy nihatra tamin'ny vahoaka ny fitsaran'Andriamanitra.
Ny lehilahy sy vehivavy mpaminany, na dia nantsoin'Andriamanitra aza, dia mpanota koa ka mila ny fahasoavana. Inona ny fanantenana azonao avy amin'ny tantaran'izy ireo?