Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana

Daty
Alahady 04 May 2025

Mazana ahafantarantsika zavatra betsaka ny fampitahana hevitra anankiroa. Maro ny fahalalana mety ho azontsika momba ny toetry ny fanatitra ara-Baiboly rehefa dinihintsika ny nandavan'Andriamanitra ny fanatitra nataon'ny vahoakany.

Ampitahao ny Isa. 1:2-15 sy ny Isa. 56:6,7 ary ny Sal. 51:17. Inona ireo lesona lehibe ampianarina antsika eto momba ny fanatitra?

Tsy io tranga mampalahelo teo amin'ny tantaran'ny Isiraely io no voalohany nandavan’Andriamanitra fanatitra; nisy toe-javatra mitovy amin'izany koa tany am-piandohan'ny tantaran'ny famonjena, rehefa neken'Andriamanitra ny fanatitr'i Abela fa tsy nankasitrahany kosa ny an'i Kaina. Ahafahantsika mampitaha indray ny fanatitra azon'Andriamanitra ekena sy ny tsy ankasitrahany io toe-javatra niseho tany am-boalohany io. (Jereo ny Gen. 4:3-7 sy ny Heb. 11:4.)

Nanaraka fombafomba fotsiny ny Isiraely tamin'ny andron'i Isaia; nanatanteraka adidy ara-pivavahana fotsiny izy ireo mba hampitony an'Andriamanitra, nefa niaina araka izay tiany ihany. Ny fanatitra nateriny dia niorina tamin'ny fitiavan-tena, tahaka ny an'i Kaina, fa tsy tamin'ny toe-tsaina feno fankatoavana sy fileferana amin'Andriamanitra.

Izany koa no toe-tsaina manentana izao tontolo izao: ny toe-tsaina miseho ho mahavita tena. Naniry hanao izay tiany i Kaina teo amin'ny fiainany. Araka izay heveriny fa mety no nanaovany fombafomba teo anatrehan'Andriamanitra. Azo lazaina ho nanelingelina azy Andriamanitra, nanakana azy tsy hanao izay tiany, saingy natahotra Azy ihany izy ka nanaiky.

Ny fanatitra nangatahin'Andriamanitra kosa no natolotr'i Abela, dia fanatitra nampiseho mazava ny teny fikasan'Andriamanitra momba Ilay Mesía ho avy (Gen. 3:15): zanak'ondry, izay manondro ny asam-pamonjena hataon'i Kristy eo Kalvary.

"Nazava tamin'i Abela ny foto-kevitra lehibe momba ny fanavotana. Nahatsiaro ny tenany ho mpanota izy ka nahatsinjo ny fahamelohany sy ny fahafatesana izay tambin'izany nampisaraka azy tamin'Andriamanitra. Raha nitondra fanatitra alatsa-drà izy dia nanaiky ho diso tamin'ny lalàn'Andriamanitra; ka nahita tamin'ny alalan'ilay ra nalatsaka, ny fanavotana hatolotr'llay Mpamonjy ho faty hisolo azy. Izany no sady nahazoany fankasitrahana no nandraisany fahamarinana." - PM, t. 51,52.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny miaro tena mba tsy hanao ny fivavahana ho fombafomba fotsiny? Ahoana no ahafahantsika manao fanandramana ny atao hoe tsy manana fanantenam-pamonjena isika afa-tsy amin'ny fianteherana tanteraka amin'ny fahafatesan'i Jesôsy ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal