Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra

Daty
Alakamisy 08 May 2025

Tamin'ny fotoana sasantsasany dia nampanakekezina an'Andriamanitra tao anaty fahitana ny mpaminany ka navela hahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Teo ambonin'ny "eloelo" no nahitan'i Ezekiela izany (Ezek. 1:26); i Isaia kosa nahita izany tao amin'ny tempoly tany an-danitra (Isa. 6:1), ary ny fanoritsoritana mazava indrindra omena antsika dia ny ao amin'ny Apôk. 4 sy 5, rehefa nentina tamin'ny alalan'ny fahitana i Jaona. Ireo tandindona teo amin'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina, ao amin'ny TT, dia nanondro fa tsy nisy afa-tsy lalana iray ihany no ahazoan'ny olombelona mankeo anatrehan'Andriamanitra, dia ny ran'i Kristy. (Jereo ny Lev. 16:2,14, ohatra.)

Vakio ny Isa. 6:1-5 sy ny Apôk. 4:7-11. Inona avy ny singa mampitovy ireo fahitana roa ireo? Diniho ny filaharan'ireo tranga miseho ao: Inona ny lohahevitra aseho voalohany? Inona no manaraka azy? Inona ny fahamarinana momba an'Andriamanitra asongadina ao amin'ireo fahitana ireo?

Amin'ny fahitana tsirairay, ny zava-miseho voalohany dia ny fanantitranteran'ireo anjely any an-danitra ny fahamasinan'Andriamanitra. Manaitra ny toe-javatra ao amin'ny fahitan'i Isaia: feno setroka ny tempoly ary mihorohoro ny "fanambanin'ny tokonana" rehefa manambara ny fahamasinan Andriamanitra ny serafima. Mitovy amin'izany koa ny fanambarana ataon'ireo kerobima ao amin'ny fahitan'i Jaona: "Masina, masina, masina." (Jereo ny Ezek. 10:14,15 mba hahitana ny mombamomba ireo zava-manana aina antsoina hoe kerobima). Samy nanehoana ny fanetriketriky ny voninahitr Andriamanitra ny mpaminany tsirairay.

Avy eo dia aseho antsika ny fihetsiky ny mpaminany manoloana izany. "Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra" - Isa. 6:5 hoy i Isaia niantsoantso, ary i Jaona kosa nitomanin'alahelo satria hitany fa "tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy-Apôk. 5:4. Rehefa aseho mivantana antsika ny fahamendrehan'Andriamanitra, vao manomboka takatsika ny toerana misy ny olombelona: tsy mendrika velively isika, ary mila an'i Kristy ho Mpanavotra antsika.

Maro ireo fiampangana nataon'i Satana tamin'Andriamanitra; nolazainy fa mizaha tavan'olona, tia tena, ary masiaka Izy. Kanefa ny fahitana ny seza fiandrianan Andriamanitra, na ao anatin'ny fotoana fohy monja aza, dia mampiharihary ny laingan'i Satana. Ny fahitantsika an'i Kristy amin'ny maha-Izy Azy marina, dia llay "Zanak'ondry, Izay novonoina" - Apôk. 5:12, no ahafahantsika mahita ny Ray amin'ny maha-lzy Azy marina. Mampahery ny mahafantatra fa izay mahita an'i Jesôsy dia mahita ny Ray (Jao. 14:9). Ary i Jesôsy maty teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika no fanambarana miezinezina indrindra momba ny toetra aman'endriky ny Ray.

Koa zavatra roa loha no tokony ambaran'ny hazo fijaliana amintsika: voalohany, ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika ka namoizany ny ainy toy izany, ho antsika; ary faharoa, ny haratsin'ny fahotantsika sy ny fahalavoantsika, hany ka tsy nisy nahazoana namonjena antsika afa-tsy ny hazo fijaliana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal