Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 16 May 2025

Vakio ny toko faha-42 ao amin'ny HM, "Mifarana ny ady."

Nitady izay hampisalasala ny voary ny amin'ny fiandrianan'Andriamanitra i Satana, ilay kerôbima manaloka fahiny. Navelan'Andriamanitra hanohy ny fikomiany ireo anjely lavo mba hanehoana amin'izao rehetra izao ny halalin'ny faharatsiam-panahy avy amin'ny fanandratan-tena. Voafitak'i Satana ny taranak'olombelona ka notaominy hiady amin'Andriamanitra miaraka aminy, nefa niharihary ny fandresen'i Kristy an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana. Izany no nanome antoka ny olona momba ny toerana ho azy ireo eo amin'izay nisy ireo anjely lavo fahiny. Manohitra ampahibemaso ny fanambaran'i Losifera ireo mpanota, ao amin'i Kristy. Ary ny toe-javatra farany, dia fanambarana lehibe lavitra momba ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fitiavany izay efa nisy talohan'ny nahalavoan'i Losifera. Tsy fikasan'Andriamanitra velively ny hisian'ny ratsy, ary toe-javatra mahonena izay manana vokany mandrakizay izany, saingy rehefa tapitra izany dia hiseho amin'ny fomba tsy mbola nahitana azy hatrizay ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fitiavany.

"Mijery ny voavotra nohavaozina indray araka ny endriny Izy [Kristy], mandinika ny fo tsirairay mitondra tanteraka ny endrik'Andriamanitra, ny tava tsirairay mitaratra ny fitoviana amin'ny Mpanjakany. Mijery ireo vokatry ny fisasaran'ny fanahiny Izy ka afa-po. Rehefa izany dia miteny amin'ny feo mahery Izy izay ren'ireo vahoaka sesehena tafavory, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy, hoe: 'Indreto ny navotana tamin'ny rako! Ho an'ireo no nijaliako; ho an'ireo no nahafatesako, mba ahazoany mitoetra eto anatrehako mandritra ny mandrakizay.' Dia misandratra avy amin'ireo miakanjo fotsy manodidina ny seza fiandrianana ny hira fiderana manao hoe: 'Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray ny hery sy ny harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra!'- Apôk. 5:12." - HM, t. 698.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Alao sary an-tsaina ianao mijoro eo anatrehan'Andriamanitra miaraka amin'ny tsy fahatanterahanao sy ny kileman-toetranao rehetra, ny asa ratsy nataonao sy ny fisainan-dratsy rehetra tao anatinao, ary ny hery manosika tsy araka ny tokony ho izy rehetra izay miharihary tanteraka eo imasony! Inona no sahaza anao araka ny hitsiny sy ny rariny? Inona no hany fanantenanao amin'izany? Nahoana no tsy maintsy manana ny "fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho an'izay rehetra mino" - Rôm. 3:22 isika mba handrakotra antsika ankehitriny sy amin'ny fotoam-pitsarana izay ilantsika izany indrindra? Raha fintinina, nahoana isika no mila ny filazantsara?

2. Nitana ny toeran'ny serafima i Jaona Mpanao batisa, araka izay hitantsika, jiro mirehitra mazava (jereo ny Jao. 5:35). Mpialoha làlana an'i Kristy tokoa izy, nanambara ny fisehoan'ny Mesia voalohany. Ahoana no itanan'ny vahoakan’Andriamanitra amin'ny andro farany anjara toerana ara-paminaniana mitovy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal