Vaklo indray ny 1 Kor. 13:4-7. Nahoana I Paoly no mitanisa toetra ratsy koa fa tsy ireo toetra tsara ihany momba ny fltlavana?
Ny amin'ireo zavatra fito ataon'ny fitiavana no nifantohantsika omaly; anio kosa, hijery zavatra valo izay tsy ataon'ny fitiavana isika. Ny fitiavana,
1. Tsy mlalona (zeloô): Ny teny hoe zeloô dia azo ampiasaina amin'ny fomba tsara toy ny hoe: «maniria fatratra [zeloô] ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra» - 1 Kor. 12:31, «maniria fatratra [zeloô] ny zava-panahy > -1 Kor. 14:1, ary «maniria fatratra [zeloô] ny haminany» -1 Kor. 14:39. Eto anefa; tahaka ny ao amin'ny Asa. 7:9, dia ratsy ny heviny. Tsara ny maniry fanomezam-pahasoavana, fa tsy mety kosa ny mlalona ny olona nahazo izany. Mahatonga fisaratsarahana izany (1 KM'. 3:3).
2. Tsy mIrehareha (perpereuomai): Ny matoanteny perpereuomai dia maneho fiavonavonana sy filan-dera. Ny fitiavana anefa tsy mifantoka amin'ny tena toy izany. Mbola hitantsika mazava kokoa izany ao amin'ny manaraka.
3. Tsy mieboebo (physiod): Ny matoanteny physio0 dia hita ao amin'ny 1 Kor. 8:1, ao amin'ilay fanambarana miavaka nataon'i Paoly hoe: «Ny fahalalana mampieboebo, fa ny fitiavana no mampandroso». Manondro olona tia sehoseho sy manandran-tena izany.
4. Tsy manao izay tsy mahamendrika (aschemoneo): Ny matoanteny aschemoneo dia manana heviny maro. Izao anefa ny heviny ankapobeny: manao zavatra mifanohitra amin'ny fitsipika ara-piarahamonina sy ara-pitondrantena, amin'ny fomba tsy mendrika, mahamenatra, na tsy mety. Azo inoana fa ny fihetsika feno avonavona sy faharatsiam-panahy ataonlireo "manam-pahalalana" tarry Korinto amin'ireo mpino "malemy" no tondroin'i Paoly (1 Kor. 4:10, 1 Kor. 8).
5. Tsy mitady ny azy [ny zony] (Mao): Mitovy amin'izay lazain'i Paoly ao amin'ny 1 K6r. 10:24 izany: «Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany». Ny fitiavana dia mahafoy ny zany manokana noho ny amin'ny hafa (jereo ny Lesona faha-5). Ao anatin'ny tontolon-kevitra izay itakian'ny rehetra ny fanajana ny zon'ny tsirairay, dia mahazo tombony avokoa ny rehetra.
6. Tsy mora sosotra (paroxyno): Ny matoanteny paroxyno dia manondro toe-po rnora tairina ananan'ny olona iray mora tezitra. Midika izany fa ny fitiavana dia tsy mba mora tohina.
7. Tsy manao otrl-po (logizomai): Ny matoanteny logizomai eto dia manana hevitra hoe manisa, izay midika fa ny fitiavana dia tsy manisa na tsy mitana ao am-po ny fahadisoan'ny hafa. Raha lazaina amin'ny terry hafa, midika ho famelan-keloka koa ny fitiavana.
8. Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana (chairo): Ny fitiavana dia tsy vitan'ny hoe tsy mitahiry ao am-po ny fahadisoan'ny hafa fotsiny, fa tsy mahita fahafinaretana amin'izany koa. Raha tia marina ny hafa isika, dia tsy mifaly amin'ny fahadisoany, fa manao izay hanampiana azy kosa.