Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.

Daty
Talata 10 February 2026

Vakio ny Fil. 4:4-7. Ahoana no tokony hanandramantsika ny "fiadanan'Andriamanitra"? 

Rehefa avy niresaka indray ny amin'ny ilana ny firaisana i Paoly (Fil. 4:1-3), dia miroso amin'ny lohahevitra iray hafa: ny fifaliana ao amin'ny Tompo (Fil. 4:4-7).

Impiry ianao no efa rera-tsaina noho ireo zavatra mipoitra kanefa avy eo mihelina sy mandalo ihany? Misy antony tokoa ny nanantitranteran'i Jesôsy fa tsy tokony hanahy isika (jereo ny Mat. 6:25-34, Mat. 10:19), ary mampahatsiahy antsika i Petera fa azontsika apetraka amin'ny Tompo ny tebiteby sy ny fanahiantsika rehetra, "fa lzy no miahy anareo" - 1 Pet. 5:7. Rana ny marina, dia tokony hanome fanantenana antsika ny fitomboan'ny olana manerana izao tontolo izao fa efa antomotra ny fiavian'ny Tompo (ampitahao amin'ny Mat. 24:33; Lio. 21:28; Jak. 5:8).

Ny fanandratana vavaka feno finoana (Fil. 4:6,7) no tsiambaratelo ahafahana miala amin'ny fanahiana rehetra, amin'ny toe-javatra rehetra. Mazava loatra fa tokony hino sy hiasa mifanaraka amin'ny valim-bavaka andrasantsika isika na tsy mbola voavaly aza izany, satria "ny fisaorana" no tokony hoentintsika manambara ny fangatahantsika amin'Andriamanitra. Nampiana ny teny hoe "fifonana" (Grika, deesis) izany, izay manondro fahamehana (jereo, ohatra, ny Lio. 1:13; Fil. 1:19; 1 Tim. 5:5; Jak. 5:16, izay ampiasana io teny grika io koa). Marina fa "fangatahana" ihany ny vavaka ataontsika, saingy mahazo matoky isika fa voaray ny fangatahantsika raha "mangataka zavatra araka ny sitrapony" isika (1 Jao. 5:14). Koa tsy mila manahy na mitebiteby isika, satria fantatsika fa eo an-tanan'Andriamanitra ny fangatahantsika rehetra. 
Ahoana no anampian'ireto andininy manaraka ireto antsika hahatakatra kokoa ny atao hoe fiadanan'Andriamanitra? Sal. 29:11; Isa. 9:6; Lio. 2:14; Jao. 14:27; 1 Kor. 14:33.

Zavatra izay tsy ho hain'izao tontolo izao omena velively ny fiadanan'Andriamanitra, satria avy amin'ny toky ao anatintsika izany fa manana ny fanomezan'ny fiainana mandrakizay isika amin'ny alalan'i Jesôsy Mpamonjy antsika (Rôm. 5:1; Rôm. 6:23). Misy akony amin'ny Iafim-piainana rehetra io fiadanana io ary "mihoatra noho ny fahalalana rehetra"- Fil. 4:7. Tsy azo takarina amin'ny saina izany, araka ny asehon'ny teny grika nous (saina) ampiasaina eto.

Ahoana no hanazavanao amin'ny olona iray izany hoe miaina ao amin'ny "fiadanan'Andriamanitra" izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal