Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Daty
Alahady 10 May 2026

Velona tao anatin'ny fotoana nanjakan'ny faharatsiana i Elia mahatoky. Nataon'ny mpanjaka Ahaba tamin'izany izay "nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakanby Isiraely rehetra izay teo alohany." - 1 Mpanj. 16:33. Ny fifanandrinana teo an-tendrombohitra Karmela hatreto no fotoana :11 nanamarika indrindra ny fiainan'i Elia (jereo ny 1 Mpanj. 18). Teo amin'ny fiafaran'io tantara mahatalanjona io no nahitan'i Ahaba sy ny fanjakany izao fahamarinana izao: mamaly vavaka Andriamanitra. Fotoana iray tsy hay hadinoina teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany ary izany no mahatonga ny fiovana tampoka nisy teo amin'io tantara io hanaitra antsika.

Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-18, ary mariho manokana ny vavaka nataon'i Elia sy ny resaka nifanaovan'Andriamanitra taminy. lnona no antony nahakivy an'i Elia teto? Ahoana no mahasamy hafa ny valintenin'Andriamanitra amin'izay nitranga teo an-tendrombohitra Karmela?

Tao anatin'ny andro iray, na dia novalian'Andriarnanitra aza ny vavaka rehetra nataon'i Elia, dia nisy fiovana tampoka teo amin'ny toe-pony sy ny fisainany ary ny herim-batany. Na dia nahazo fandresena lehibe niaraka tamin'Andriamanitra aza izy tamin'io andro io, dia navelany handresy ny finoany an'Andriamanitra ny tahotra ny fahafatesana, noho ny harerahany. Manaitra tokoa ity tantara ity satria na dia kivy sy ketraka aza i Elia, dia nanatona azy tamim-pahalemem-panahy sy tamim-piahiana fatratra Andriamanitra, ka nanome azy rano sy hanina indray (1 Mpanj. 19:5,6) — nahavoky azy tokoa izany ka nananany tanjaka nandritra ny 40 andro sy 40 alina (1 Mpanj. 19:8). Ary rehefa niseho taminy Andriamanitra, dia tamin'ny fomba hafa tanteraka noho ny teo aloha izany.

Misy fotoana eo amin'ny fiainana izay anomezan'Andriamanitra antsika valinteny mivantana sy mafonja ary tsy azo lavina. Manamafy orina ny finoantsika ireny, ary mahatonga antsika hahatsapa ho akaiky an'Andriamanitra eo amin'ny fiainana.

Amin'ny fotoana hafa kosa dia mihozongozona isika ka lavo amin'ny fakam-panahy. Heverintsika amin'izany fa sarotra loatra ny manara-dia an'Andriamanitra amin'ny finoana tsy miovaova. Miandry ny valintenin'Andriarnanitra amin'ny fomba izay eritreretintsika fa tokony hamaliany isika, tsy mahatsapa fa ny Fiheviny sy ny Lalany dia ambony sy hendry lavitra noho ny antsika (Ise. 55:8,9). Toy ny habetsahan'ny zavaboarin'Andriamanitra izay tsy takatsika ny momba azy, dia tsy tokony hahagaga antsika ny hamaroan'ireo fomban'Andriamanitra izay tsy takatry ny saintsika koa. Andriamanitra, ilay Raintsika tsara sady malemy fanahy, dia mahafantatra tsara izay ilainao.

Ahoana no hahatony anao ka hitokianao Azy sy hibanjinanao Azy ao anatin'ny toe-javatra rehetra? Resaho Aminy izao ny momba izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal