Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 14 February 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:26.27; Kol. 1:13-19; Jao. 1:1-3; Efes. 1:22: 1 Kor. 12:12-27; 1 Kor. 4:9; Rôm. 6:3,4.

Tsianjery: "Izy [Kristy] no endrik Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany, ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra." - Kol. 1:15-17

Ho tohizantsika ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity ny fandinihana momba ny epistily ho an'ny Kolosianina (jereo ny Lesona 1 sy 2). Hitantsika tao amin'ny lesona 2, fizarana Alakamisy, fa nivavaka ho an'ireo mpino tany Kolosia i Paoly ao amin'ny Kôl. 1:9-12, ary nangataka ny hananan'izy ireo fiainana mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Mampitaha fanjakana roa izy ao amin'ny and. 12 sy 13: ny mazava sy ny maizina, "ny fanjakan'ny mazava" (Kôl. 1:12, dikanteny NIV) sy ny "fahefan'ny maizina" - Kôl. 1:13. Nomen'Andriamanitra Ray antsika ny toetra ilaina mba hahafahantsika miombona amin'ny lova maharitra mandrakizay ao amin'ny fanjakan'ny mazava. Efa nafahany tamin'ny fahefan'ny maizina isika ary nafindrany "ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika." - Köl. 1:13,14.

Tahaka izao izany raha lazaina amin'ny teny hafa: ao amin'i Jesôsy, izay Andriamanitra Mpamorona antsika koa, no ahazoantsika fanavotana. Izy no nahatanteraka ny fanavotana ho antsika, ary amin'ny alalan'ny finoana Azy no namindrana antsika avy amin'ny fanjakan'ny maizina ho amin'ny fanjakan'ilay Zanaka malalan'Andriamanitra.

Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny anankiray amin'ireo fanambarana feno sy miezinezina indrindra momba an'i Jesôsy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Inona no hevitr'izao: i Jesôsy dia sady "endrik'Andriamanitra tsy hita no "Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao - Kôl. 1:15?

*Famerenana ny lesona ny sabata 21 Febroary.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal