Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Ilay Andriamanitsika mahefa ny zavatra rehetra

Daty
Alahady 16 February 2025

"Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra", hoy ilay pasitora tanora nampianatra ireo mpianany tao amin'ny kôlejy. "Midika izany fa mifehy ny zavatra izay mitranga Izy. Izao no navalin'ny mpianatra anankiray sahiran-tsaina: "Nifehy ny toe-javatra izany Andriamanitra tamin'ny fotoana nahafatesan'ny alikako? Nahoana Andriamanitra no mamono ny alikako?"

Niezaka namaly izany fanontaniana izany ilay pasitora tanora ka nanao hoe: "Sarotra izany fanontanianao izany. Nefa misy fotoana amelan’Andriamanitra antsika hamakivaky fotoan-tsarotra mba hiomanantsika ho amin'ny fotoan-tsarotra kokoa amin'ny hoavy. Tadidiko tokoa fa mafy tamiko ny nahafatesan'ny alikako, saingy ny fandalovana tamin'izany dia nanampy ahy hiatrika fotoan-tsarotra kokoa taty aoriana rehefa maty ny renibeko. Mazava aminao ve izany ohatra izany?"

Rehefa niato elaela ilay mpianatra dia namaly hoe: "Novonoin'Andriamanitra izany ny alikako mba hanomanana ahy ho amin'ny fotoana hamelany ny renibeko ho faty?" Marc Cortez, averina ao amin'ny boky Divine Attributes: Knowing the Covenantal God of Scripture (Michigan: Baker Academic, 2021), t. 141, nosoratan'i John C. Peckham.

Mihevitra ny olona indraindray fa ny zavatra rehetra dia mitranga araka izay anirian ‘Andriamanitra itrangan'izany tokoa. Tsitoha rahateo Izy. Ahoana àry no hisehoan'ny toe-javatra iray kanefa tsy tian'Andriamanitra hiseho akory izany? Noho izany, na inona na inona mitranga, na ratsy manao ahoana aza izany, dia izay no sitrapon'Andriamanitra. Izany, farafahakeliny, no ampianarin'io teôlôjia io.

Vakio ny Sal. 81:11-14; Isa. 30:15,18; Isa. 66:4 ary ny Lio. 13:34. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo momba ny fanontaniana hoe: tanteraka mandrakariva ve ny sitrapon'Andriamanitra?

Maro ny olona mino fa tsy maintsy azon'Andriamanitra mandrakariva izay iriny, nefa samy hafa amin'izany no ambaran'ny Baiboly amintsika. Imbetsaka ny Soratra Masina no maneho an'Andriamanitra miaina fanandramana momba ny faniriana tsy tanteraka. Izany hoe, mifanohitra amin'izay ambaran'Andriamanitra fa tiany hiseho no mitranga ary tsy indray mandeha izany fa imbetsaka. Toe- javatra iray no tiany hitranga amin'ny vahoakany saingy hafa noho izany no fidin'izy ireo. Toy izao mihitsy aza ny fitarainan'Andriamanitra: "Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko (...) Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely; vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho". - Sal. 81:11,13,14.

Eritrereto ny fiantralkan'ireo teôlôjia milaza fa araka ny sitrapon' Andriamanitra no isehoan'ny zavatra rehetra. Inona ny olana lehibe mety haterak'izany fampianarana izany, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitry ny faharatsiana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal