Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.

Daty
Alahady 22 February 2026

Vakio ny Kol. 1:21,22. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe: "olon-ko azy" sy hoe "fahavalo"? Ary inona no vokatra antenaina amin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy (jereo koa ny Efes. 5:27)

Sary manjombona hatrany no anehoan'i Paoly ny olombelona, farafahakeliny rehefa misaraka amin'ny fahamarinan' Kristy. Ary iza ankehitriny, efa ho roa arivo taona aty aoriana, no tsy mahatsapa izany? Nisy olona iray nilaza toy izao indray mandeha: raha misy foto-pampianarana kristianina iray ízay tsy mila finoana dia ity: mpanota ny olombelona.

Na izany aza, hatramin'ny fotoana nidiran'ny ota, dia efa nanao ny dingana voalohany hihavanana amintsika Andriamanitra, na ratsy toy inona aza isika. Izany hoe, hatrany am-piandohana, dia niasa hamaha ny olan'ny ota Andriamanitra, na ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana ihany aza no hany hita ho vahaolana.

Tany Edena dia niantso an'i Adama, sanganasany, Izy nanao hoe: "Aiza moa hianao?"- Gen. 3:9. Ary mbola mitady antsika ondriny very Izy ankehitriny. Tadiaviny tsirairay isam-batan'olona isika. Manana drafitra tonga lafatra Izy mba hanatonana antsika, ho fanatanterahana ilay teny fikasana fototry ny filazantsara ao amin'ny Genesisy 3:15, ny hampifandrafy antsika sy i Satana.

Mazána hasarotina sy atao resaka fotsiny ny filazantsara ka zara raha misy heviny amin'ny fiainana amin'izao taonjato faha-21 izao. Nefa, raha ny marina, tena tsotra sy mazava izany.

Misy fizarana telo ny filazantsara:

Voalohany, satria tsy mahay mamonjy ny tenantsika isika, dia tonga i Jesosy ary maty noho ny fahotantsika (Rôm. 5:6-8).

Faharoa, amin'ny fanekentsika ny fahafatesany ho fahafatesantsika, amin'ny alalan'ny finoana, ny fibebahana, ary ny batisa, dia hamarinina sy afahana amin'ny fanamelohana noho ny ota isika (Rôm. 5:9-11; Rôm. 6:6,7).

Fahatelo, ny fiainana ivelomantsika ankehitriny dia vokatry ny firaisana amin'i Kristy, ny fananantsika ny heriny mamorona indray, ary ny fahavelomany ao anatintsika (2 Kôr. 5:17-21; Gal. 2:20).

Tsy voatery ho dingana na tranga misaraka ireo. Afaka miara-mitranga ireo raha vao vonona handray an'i Jesôsy eo amin'ny fiainantsika isika, ary azo havaozina isan'andro eo am-panolorantsika ny tenantsika ho Azy isa-maraina. Na manao ahoana na ahoana fahatsapantsika ny asa famonjen'i Kristy eo amin'ny fiainantsika, dia ny fahafatesan'i Jesosy ihany no fototra lorenany. Tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva izany.

Rehefa mijery ny tenanao, ny toetranao, ary ny atifonao ianao, inona no ambaran'izany aminao momba ny filanao ny hazo fijaliana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal