VM, toko 31, "Noraisina tamim-pankasitrahana ny hafatra".
"Ireo izay nizaka fahoriana lehibe indrindra no matetika mitondra fampiononana tsara indrindra ho an'ny hafa, ka mitondra tara-pahazavana na aiza na aiza alehany. Voadio sy manjary malemy fanahy ny olona toy izany noho ireo fitsapana nolalovany; tsy nanary toky izy ireo raha nisesy ny zava-tsarotra, fa vao mainka nifikitra tamin'Andriamanitra mpiaro sy tia azy. Ny olona toy izany dia porofo velona ny amin'ny fiahian'Andriamanitra antsika amim-pitiavana.
"Feno fahazavana sy fiononana ary fiadanana mandrakariva ny fiainana manokan'ny Kristianina manolo-tena. Fahadiovana, fahaiza-mifandray, fahatsorana, ary fahavononana hanampy, no mampiavaka azy. Ilay fitiavana tsy mitady ny azy no mitarika azy ireo sy manamasina ny hery miasa mangina avy aminy. Feno an'i Kristy ny fiainany, ary mamela hazavana eny amin'izay alehany rehetra." GAG, t. 122.
"Hitan'ny apostoly Paoly fa ilaina ny mananatra ireo izay manao fahadisoana eo anivon'ny fiangonana, saingy tsy nataony tamin'ny fihetseham-po tsy voafehy izany. Nohazavainy tamim-pitebitebena ny antony nanaovany izany. Tamim-pitandremana fatratra no niezahany hampiseho fa tsy fahavalon'ireo izay nanao fahadisoana izy tsy akory! Nataony tsapan'izy ireo fa nampahory azy fanomezany alahelo azy ireo, ary koa ny tombontsoany dia mitovy amin'ny an'izy ireo ihany." - SDABC, b. 6, .t. 1094.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ao amin'ny 2 Kor. 2:1-14 dia nohamafisin'i Paoly ny amin'ny fahadiovam-pony teo am-panaovany ny fanompoana. Nahoana no tena zava-dehibe tokoa izany toetra izany?
2. Inona no ambaran'ny fiovan'ny drafitry ny dian'i Paoly amintsika momba ny tokony hahaizana mandamina eo am-piatrehana ny zava-misy eo amin'ny fanompoana kristianina? Nahoana no zava-dehibe ny hoe vonona hiatrika fanovana rehefa ilaina izany?
3. Nanana tebiteby sy ahiahy i Paoly tao anatin'ny asa fanompoany. Maneho mazava izany fa olombelona ihany ireny mpitondra fivavahana ireny, ary zoim-pahoriana tahaka ny olon-drehetra. Inona no azon'ny mambran'ny fiangonana atao mba hanamora ny asan'izy ireo?
4. Niresaka momba ny nahatafandry ny fanahiny i Paoly (2 Kor. 2:13) taloha kelin'ny niresahany momba ny fandreseny ao amin'i Kristy (2 Kor. 2:14). Ahoana no nahafahany sady niresaka momba ny fahosany no niresaka momba ny heriny koa? Ary ahoana no ahafahantsika manao izany?