Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy marina?

Daty
Talata 06 February 2024

Nomen'Andriamanitra fahefana hitsara amim-pahamarinana ireo mpitarika tao Isiraely (Sal. 72:1-7, 12-14). Natao hampiasa ny fahefany araka ny sitrapon’Andriamanitra ireo mpanjakan’ny lsiraely. Ny hitandro ny fiadanana sy ny fahamarinana ao amin’ny fireneny, ary ny hitsinjo ireo mahantra eo amin’ny fiaraha-monina, no tena tokony himasoan'ireo mpitarika. Amin’izay ihany vao hambinina ny tany sy ny vahoaka manontolo. Ny fahatokiana amin’Andriamanitra no manamafy orina ny seza fiandrianan’ny mpanjaka fa tsy ny herin’olombelona.

Vakio ny Sal. 82. Inona no mitranga rehefa manao ny tsy rariny ny mpitarika ka mampahory ny vahoaka izay nampiandraiketina azy mba harovany?

Manonona ny fitsarany ho an’ireo mpitsara tsy marina ao Isiraely Andriamanitra ao amin’ny Sal. 82. Ireo “andriamanitra” resahina ao (Sal. 82:1,6) dia mazava fa tsy sampy na anjely tsy akory satria tsy nankinina tamin’ireo velively ny fitsarana amim-pahamarinana ny vahoakan’Andriamanitra; koa tsy azo tsaraina ny amin’ny tsy fanatanterahany izany izy ireo. Ireo heloka tanisaina ao amin’ny Sal. 82:2-4 dia mampahatsiahy ireo lalàna ao amin’ny Torah, izay manonona ireo mpitariky ny Isiraely hoe “andriamanitra” (Deo. 1:16-18; Deo. 16:18-20; Jao. 10:33-35). Mamotopototra ireo “zanak'olombelona” Andriamanitra raha mitsara mahitsy izy ireo, ary tononina ny sazin’izy ireo satria hita ho tsy marina izy ireo. Mitsapatsapa ao anatin’ny haizin’ny tsy fahalalana ireo mpitarika (Sal. 82:5), satria nahafoy ny lalàn'Andriamanitra, izay fahazavana, izy ireo (Sal. 119:105).

Hamafisin’ny Soratra Masina tsara fa Jehôvah irery ihany no Andriamanitra. Zarain'Andriamanitra amin’ireo olombelona mpitarika voatendry hisolo tena Azy ny fitondrany (Rôm. 13:1). Impiry impiry anefa ireo olona solontenany ireo no tsy manao tsara ny andraikitra nankinina taminy, na araka ny hita teo amin’ny tantara na ny hita ankehitriny?

Ahariharin’ny Sal. 82 ny fihemoran’ireo mpitarika sasany izay nihevitra ny tenany ho “andriamanitra” ambonin'ny olona hafa rehetra. Na nomen’ny Tompo fahefana sy tombontsoa aza ireo mpitarika isiraelita mba ho solontenan’Andriamanitra ka nantsoina hoe “zanaky ny Avo Indrindra”, dia lavin’Andriamanitra ny mpitarika ratsy fanahy. Ampahatsiahivin’Andriamanitra azy ireo fa olombelona mety maty ihany izy ireo ary fehezin’ny lalàna môraly toy ny olona rehetra. Tsy misy olona natao ho ambonin’ny lalàn'Andriamanitra (Sal. 82:6-8).

Hitsara ny tany manontolo Andriamanitra; hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra koa ny vahoakany. Na ny mpitarika na ny olona tarihina dia tokony hanaraka nyohatra omen’llay Andriamanitra Mpitsara ka hametraka ny fanantenan'izy ireo fara-tampony ao Aminy.

Karazam-pahefana inona no anananao amin’ny hafa? Araka ny marina sy ny rariny ve no ampiasanao izany fahefanao izany? Diniho tsara ny momba izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal