Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy marina?

Daty
Talata 06 February 2024

Nomen'Andriamanitra fahefana hitsara amim-pahamarinana ireo mpitarika tao Isiraely (Sal. 72:1-7, 12-14). Natao hampiasa ny fahefany araka ny sitrapon’Andriamanitra ireo mpanjakan’ny lsiraely. Ny hitandro ny fiadanana sy ny fahamarinana ao amin’ny fireneny, ary ny hitsinjo ireo mahantra eo amin’ny fiaraha-monina, no tena tokony himasoan'ireo mpitarika. Amin’izay ihany vao hambinina ny tany sy ny vahoaka manontolo. Ny fahatokiana amin’Andriamanitra no manamafy orina ny seza fiandrianan’ny mpanjaka fa tsy ny herin’olombelona.

Vakio ny Sal. 82. Inona no mitranga rehefa manao ny tsy rariny ny mpitarika ka mampahory ny vahoaka izay nampiandraiketina azy mba harovany?

Manonona ny fitsarany ho an’ireo mpitsara tsy marina ao Isiraely Andriamanitra ao amin’ny Sal. 82. Ireo “andriamanitra” resahina ao (Sal. 82:1,6) dia mazava fa tsy sampy na anjely tsy akory satria tsy nankinina tamin’ireo velively ny fitsarana amim-pahamarinana ny vahoakan’Andriamanitra; koa tsy azo tsaraina ny amin’ny tsy fanatanterahany izany izy ireo. Ireo heloka tanisaina ao amin’ny Sal. 82:2-4 dia mampahatsiahy ireo lalàna ao amin’ny Torah, izay manonona ireo mpitariky ny Isiraely hoe “andriamanitra” (Deo. 1:16-18; Deo. 16:18-20; Jao. 10:33-35). Mamotopototra ireo “zanak'olombelona” Andriamanitra raha mitsara mahitsy izy ireo, ary tononina ny sazin’izy ireo satria hita ho tsy marina izy ireo. Mitsapatsapa ao anatin’ny haizin’ny tsy fahalalana ireo mpitarika (Sal. 82:5), satria nahafoy ny lalàn'Andriamanitra, izay fahazavana, izy ireo (Sal. 119:105).

Hamafisin’ny Soratra Masina tsara fa Jehôvah irery ihany no Andriamanitra. Zarain'Andriamanitra amin’ireo olombelona mpitarika voatendry hisolo tena Azy ny fitondrany (Rôm. 13:1). Impiry impiry anefa ireo olona solontenany ireo no tsy manao tsara ny andraikitra nankinina taminy, na araka ny hita teo amin’ny tantara na ny hita ankehitriny?

Ahariharin’ny Sal. 82 ny fihemoran’ireo mpitarika sasany izay nihevitra ny tenany ho “andriamanitra” ambonin'ny olona hafa rehetra. Na nomen’ny Tompo fahefana sy tombontsoa aza ireo mpitarika isiraelita mba ho solontenan’Andriamanitra ka nantsoina hoe “zanaky ny Avo Indrindra”, dia lavin’Andriamanitra ny mpitarika ratsy fanahy. Ampahatsiahivin’Andriamanitra azy ireo fa olombelona mety maty ihany izy ireo ary fehezin’ny lalàna môraly toy ny olona rehetra. Tsy misy olona natao ho ambonin’ny lalàn'Andriamanitra (Sal. 82:6-8).

Hitsara ny tany manontolo Andriamanitra; hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra koa ny vahoakany. Na ny mpitarika na ny olona tarihina dia tokony hanaraka nyohatra omen’llay Andriamanitra Mpitsara ka hametraka ny fanantenan'izy ireo fara-tampony ao Aminy.

Karazam-pahefana inona no anananao amin’ny hafa? Araka ny marina sy ny rariny ve no ampiasanao izany fahefanao izany? Diniho tsara ny momba izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal