Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Marina indrindra ny teni-vavoloombelonao

Daty
Alakamisy 18 January 2024

Vakio ny Sal. 19:7; Sal. 93:5; Sal. 119:165; Sal. 1:2,6; Sal. 18:30 ary ny Sal. 25:10. Inona ny lohahevitra iraisan'ireo rehetra ireo?

Misy fiantraikany ara-teôlôjia eo amin'ny maha-azo itokiana ny teni- vavolombelon'Andriamanitra ny fahamboniany eo amin'izao tontolo izao amin'ny maha-Mpamorona sy Mpanjaka ary Mpitsara Azy. Ny teni-vavolombelona ('edut amin'ny teny hebreo, "didy", "lalàna") dia manondro ny lalàna sy ny fitsipika izay ifehezan'Andriamanitra ny fiainana ara-pivavahana sy ara-piarahamonin'ny vahoakany (Eks. 32:15). "Marina indrindra" ireo (Sal. 93:5), ary maneho taratra fa nampitoerina ka tsy hihetsika ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny tontolo izay nohariany sy tohanany (Sal. 93:1,2). Ny teny hebreo nadika hoe "marina indrindra" (avy amin'io teny io ny hoe "amena") dia mampita izao hevitra izao: azo itokiana, mahatoky ary mitoetra (2 Sam. 7:16; 1 Tant. 17:23). Tsy miova ny lalàn'Andriamanitra ary tsy mety simba.

Miantoka ny fahamarinan'ny teny fikasany sy ny didiny Andriamanitra. Sady manome antoka ny amin'ny tsy fiovan'ny fitsipiny ny fahatokian'Andriamanitra no mitaky ny hamalian'ny olony izany amin'ny fitokiana Aminy sy ny fankatoavana Azy.

Etsy andanin'izay, dia amin'ny alalan'ny tononkalo no ampitoviana ny tsy fisian'ny rariny eto amin'izao tontolo izao amin'ny fihorohoron'ny fanorenan'ny tany (Sal. 18:7; Isa. 24:18-21). Ny lalàn'Andriamanitra no mampianatra ny olona momba ny lalan'ny fiainana feno fahamarinana izay hahajoro amin'ny fotoam-pitsaran'Andriamanitra. Koa tsy hangozohozo ny marina satria miorina tsara ao amin'ny lalàn'Andriamanitra, izay mampitoetra sy miaro azy, ary ny fo ho tafatoetra ao amin'i Jehovah (Sal. 112:1,6,7). Tsy hisy na inona na inona hahatafintohina ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra (Sal. 119:165). Midika ho fiarovan'Andriamanitra sy fitarihany eo amin'ny fiainana izany (Sal. 1:2,3,6).

Tondroina ho fanilon'ny tongotry ny mpanao Salamo ny tenin'Andriamanitra, izay miaro azy amin'ny fandrika miafina avelatry ny fahavalo (Sal. 119:105,110). Mazava loatra fa ny fiadanana feno, izay iainan'ireo tia ny didin'Andriamanitra, dia tsy vokatry ny tsy fisian'ny fizahan-toetra mihitsy (Sal. 119:161); tsy izany fa vokatry ny fitoerana eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fifandraisana tsara Aminy izany.

Fomba ahoana no nanampian'ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fitsipika ary ny teni-vavolombelona anao teo amin'ny fiainanao? Etsy ankilany, inona no nanjo anao noho ny fandikana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal