Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry ondry mahafoy tena

Daty
Alahady 25 February 2024

Vakio ny Sal. 23; Sal. 28:9; Sal. 80:1; Sal. 78:52,53; Sal. 79:13 ary ny Sal. 100:3. Ahoana no anehoana ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olony ao amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo?

Ny sary maneho an'Andriamanitra ho Mpiandry ondry sy ny vahoakany ho ondry andrasany dia manasongadina ny fitarihan'Andriamanitra sy ny fiahiany ny olony ary koa ny fianteheran'ny vahoakany Aminy mba hanome izay rehetra ilain'izy ireo. Hevitra manambara ny fifandraisana ety eo amin'Andriamanitra sy ny olony no asehon'izany sary izany, satria niara-niaina tamin'ireo andian'ondriny ny Mpiandry ondry ary nikarakara ireo ondry tsirairay. Ny sarin'ny mpiandry ondry dia manipika ihany koa ny maha an'Andriamanitra ireo ondriny. Fatorana mafy anankiroa no miantoka izany: ny Famoronana (Sal. 95:6, 7; Sal. 100:3) sy ny Fanekena (Sal. 28:9; Heb. 13:20).

Azo heverina fa ny sary maneho ilay Mpiandry ondry avy any an-danitra izay nitari-dalana an'i Josefa tahaka ny andian'ondry (Sal. 80:1) dia manondro ny tso- dranon'i Jakoba tamin'i Josefa, izay maneho an'Andriamanitra ho mpiandry ny Isiraely ondriny ary koa mangataka ny teny fikasany lehibe sy ny fitahiany (Gen. 49:24).

Noraisina ho mpiandry ireo vahoakany ny mpanjaka (2 Sam. 5:2). Andriamanitra ihany anefa no tena mendrika ny hantsoina amin'izany anarana izany satria tsy mahafeno ny fepetran'izany fiantsoana izany ny mpanjaka olombelona. I Jesôsy ihany no nahafeno izany fepetra izany, izany no iantsoana Azy hoe Mpiandry Tsara.

Vakio ny Jao. 10:11-15. Inona no ambaran'i Jesôsy momba ny Tenany amin'ny maha Mpiandry Tsara Azy?

Hita eo amin'ny fahafantaran'ny ondry ny feon'ny Mpiandry azy ny fifandraisana ety misy eo amin'ilay Mpiandry ondry avy any an-danitra sy ny andian'ondriny (Jao. 10:4, 27). Mandraka ankehitriny, dia hain'ireo mpiandry ondry any Moyen-Orient ny manasaraka ny andian'ondriny izay mifangaro amin'ny ondry hafa amin'ny fiantsoany ireo ondriny izay mahalala ny feon'ilay mpiandry ary manaraka azy.

Misy fotoana iatrehan'ny andian'ondrin'Andriamanitra fahoriana samihafa izay heverin'ny olona ho famantarana ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fahafoizany azy ireo. Tsy mba mahafoy ny ondriny izay mania anefa ny Mpiandry Ondry fa manao izay hamonjena azy ireny. Sary lehibe maneho ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany izany. Vonona ny ho faty ho an'ireo ondriny Izy (Jao. 10:11,15) ary tonga Zanak'ondry natao fanatitra noho ny amin'izy ireo mihitsy aza (Jao. 1:29). Nohamafisin'i Jesôsy koa fa hiantso ireo ondriny any amin'ny vala hafa Izy ary hitondra azy ireny hikambana amin'ny andian'ondriny (Jao. 10:16).

Inona avy ireo fomba ahafahanao mandray tombontsoa isan'andro avy amin'ny fananana an'i Jesôsy ho Mpiandry Tsara antsika araka izay nampanantenaina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal