Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIJORO HO AN'NY FAHAMARINANA

Daty
Sabotsy 20 April 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Dan. 7:23-25; Apôk. 12:6, 14; Joda 3, 4; Apok. 2:10; Asa. 5:28-32; Sal. 19:7-11; 1 Jao. 5:11-13.

 Tsianjery: "Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14, 15 

Ny tananan'i Izmir ankehitriny, any amin'ny sisin-tanin'i Turquie no tananan'i Smyrna voalaza ao amin'ny Baiboly tany aloha, voalaza ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy. Niroborobo izany tanana fahiny nonenan'ny mponina eo ho eo amin'ny 100.000 izany tamin'ny fiafaran'ny taonjato voalohany sy faharoa. Tanana nanan-karena ary nahatoky tanteraka tamin'i Rôma izany.

Indray mandeha isan-taona no nandidiana ny mponina rehetra handoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra rômanina. Hita miharihary fa tamin'ny tanjato faharoa dia nahitana fiarahamonina kristianina niroborobo koa i Smyrna ary maro ireo izay tsy nilefitra tamin'io didy io. I Polycarpe, iray tamin'ireo tompon'andraikitra voalohany tao amin'ny fiangonana dia novonoina maritiora teo amin'ny kianjan'i Smyrna, nodorana teo amin'ny tsato-kazo noho ny nandavany tsy hamadika ny Tompony amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra rômanina. Rehefa nangatahina farany handa an'i Kristy ity lahiantitra ity dia izao no navaliny: "Enina amby valopolo taona izao no nanompoako Azy ary tsy nanao ratsy ahy Izy. Ahoana no hitenenako ratsy ilay Mpanjakako izay namonjy ahy?"

 Nandritra ny taonjato maro dia lehilahy sy vehivavy marobe no nifidy ny ho faty maritiora toy izay handa ny finoany an'i Kristy. Mamelombelona ny herim-pontsika ny sorona nataon'izy ireo. Manavao ny fanoloran-tenantsika ny tantaran'ny fanoloran-tenan'izy ireo ho an'i Kristy.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika fitsipika ara-Baiboly sasantsasany izay nandrisika ireo Vaudois sy ireo mpanavao ara-pivavahana taty aoriana, tahaka an-dry Huss sy Jerôme, hitoetra ho mahatoky amin'ny Tompo na inona na inona mitranga - eny fa na dia teo anatrehan'ny fandrahonana ho faty nataon'ireo fahefana tahaka izay namono an'i Polycarpe koa aza (i Rôma, saingy ankehitriny dia ny fahefana papaly izany).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal