Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOSAMBORINA SY NOTSARAINA

Daty
Sabotsy 07 September 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 14; Jao. 12:4-6; Rôm. 8:28; Eks. 24:8; Jer. 31:31-34; Zak. 13:7.

Tsianjery: "Ary hoy lzy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." — Mar. 14:36. 

Mitantara ny fahorian'i Jesôsy tamin'ny nahafatesany hatramin'ny nitsanganany tamin'ny maty ny Mar. 14 hatramin'ny Mar. 16. Araka ny hitantsika ao amin'ny lesona 9 dia tranga niseho tao anatin'ny herinandro eo ho eo no tantaraina ao amin'ireo toko enina farany ao amin'ny bokin'i Marka. Ny ankamaroan'ireo zava-nitranga voalaza ao amin'ny Mar. 14--16 dia niseho tamin'ny andro Alakamisy sy Zoma tao anatin'izany herinandrom-pahoriana izany. Andro Zoma i Jesôsy no maty, ary andro Alahady no nitsanganany tamin'ny maty.

Mifantoka amin'ny Mar. 14 ny lesontsika amin'ity herinandro ity, manomboka amin'ilay "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahadimy, izay ahitana fihetsika roa mifanohitra manoloana an'i Jesôsy. Arahin'ilay fiaraha-misakafo hariva farany izany, ary avy eo, ny tolona natrehin'i Jesôsy tao Getsemane. Teo no nisamborana Azy teo anatrehan'ireo mpitondra fivavahana mba hotsaraina.

Mifandray amin'ny fandavan'i Petera an'i Jesôsy ny tantaran'ny fitsarana an'i Jesôsy, ary io no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahenina farany ao amin'ny bokin'i Marka. Mbola fihetsika roa mifanohitra hatrany no hita eto, saingy manondro fahamarinana iray ihany. Misy toe-javatra roa mifanohitra hita mifanindran-dalana mandritra ilay fitantarana manontolo. Aseho mazava ao amin'ny Marka fa mifanipaka izy ireo, sady ambarany ny fandresen'i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (33)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal