Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOSAMBORINA SY NOTSARAINA

Daty
Sabotsy 07 September 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 14; Jao. 12:4-6; Rôm. 8:28; Eks. 24:8; Jer. 31:31-34; Zak. 13:7.

Tsianjery: "Ary hoy lzy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." — Mar. 14:36. 

Mitantara ny fahorian'i Jesôsy tamin'ny nahafatesany hatramin'ny nitsanganany tamin'ny maty ny Mar. 14 hatramin'ny Mar. 16. Araka ny hitantsika ao amin'ny lesona 9 dia tranga niseho tao anatin'ny herinandro eo ho eo no tantaraina ao amin'ireo toko enina farany ao amin'ny bokin'i Marka. Ny ankamaroan'ireo zava-nitranga voalaza ao amin'ny Mar. 14--16 dia niseho tamin'ny andro Alakamisy sy Zoma tao anatin'izany herinandrom-pahoriana izany. Andro Zoma i Jesôsy no maty, ary andro Alahady no nitsanganany tamin'ny maty.

Mifantoka amin'ny Mar. 14 ny lesontsika amin'ity herinandro ity, manomboka amin'ilay "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahadimy, izay ahitana fihetsika roa mifanohitra manoloana an'i Jesôsy. Arahin'ilay fiaraha-misakafo hariva farany izany, ary avy eo, ny tolona natrehin'i Jesôsy tao Getsemane. Teo no nisamborana Azy teo anatrehan'ireo mpitondra fivavahana mba hotsaraina.

Mifandray amin'ny fandavan'i Petera an'i Jesôsy ny tantaran'ny fitsarana an'i Jesôsy, ary io no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahenina farany ao amin'ny bokin'i Marka. Mbola fihetsika roa mifanohitra hatrany no hita eto, saingy manondro fahamarinana iray ihany. Misy toe-javatra roa mifanohitra hita mifanindran-dalana mandritra ilay fitantarana manontolo. Aseho mazava ao amin'ny Marka fa mifanipaka izy ireo, sady ambarany ny fandresen'i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal