Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY DIDY LEHIBE INDRINDRA

Daty
Alakamisy 29 August 2024

Vakio ny Mar. 12:28-34. Inona ny fanontaniana manan-danja napetrak'llay mpanora-dalàna tamim-pahatsorana, ary inona ny valinteny roa sosona nomen'i Jesôsy azy?

Saiky nanohitra an'i Jesôsy ireo mpitondra fivavahana ao amin'ny fiJazantsaran'i Marka hatreto, afa-tsy vitsivitsy monja. Nahakasika an'i Jerosalema manokana izany, toerana izay nitenenan'i Jesôsy mafy ny fomba fitondrana ny fiankohofana tao amin'ny tempoly - izay fon'ny fivavahana jodaisma. Araka izany, ny fihainoan'ny mpanora-daiàna iray ny fifandirana sy ny fankasitrahany ny valintenin'i Jesôsy dia maneho ny fahitsiany sy ny herim-pony teo anatrehan'ny fankahalana an'i Jesôsy izay nanjaka tokoa. Ho mora kokoa ho an'ny olona iray, na dia izay niombon-kevitra tamin'i Jesôsy aza, ny mangina ka mitazana fotsiny. Tsy izany anefa no nataon'ity lehilahy ity.

Ny zava-manan-danja indrindra amin'ny fivavahana no noresahin'ilay mpanora-daiàna raha nanontany ny amin'izay didy lehibe indrindra izy. Tamim-pahatsorana sy tamin'ny fomba mazava no namalian'i Jesôsy izany, ka namerenany ny teny ao amin'ny Shema, ilay fanekem-pinoana ao amin'ny fivavahana jodaisma izay hita ao amin'ny Deo. 6:4,5. Ny didy lehibe indrindra, hoy i Jesôsy, dia ny fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra sy ny fanahy ary ny sainao sy ny herinao rehetra - izany hoe ny maha-ianao anao manontolo. Manome valinteny fanampiny ho an'ilay mpanora-dalàna i Jesôsy amin'ny fanambarany ny didy faharoa manan-danja indrindra. Naveriny indray izay voalazaniny Testamenta Taloha ka ny Lev. 19:18 indray no nolazainy, dia ny hitiavana ny namana tahaka ny tena.

Manontany tena ny olona indraindray raha toa azo atao ny mibaiko ny fitiavana. Ny tontolon-kevitra ara-koiontsain'io didy io ao amin'ny Deoterônômia no manampy antsika amin'ny fanazavana izany. Avy amin'ny fifanekena tamin'ny andro fahiny no niavian'io fomba fiteny io, ary ny teny hoe "tiava" dia manondro ny fitoerana ho mahatoky amin'ireo zava-takin'ny fifanekena sy ny fanatanterahana izany amim-pahatokiana. Araka izany, na dia tsy manilika ny fihetseham-po lalina mampifamatotra ny roa tonta manao fanekena aza izany, dia mifantoka kokoa amin'ny asa izay maneho ny fahatokiana.

Nahitsy fo ilay mpanora-daiàna. Hitany fa tsotra sy nazava ny valintenin'i Jesôsy ary nanaiky izany izy. Toa azontsika an-tsaina ny fiketronan'ireo mpitondra fivavahana raha nahita ilay mpanora-daiàna mahitsy fo niombon-kevitra tamin'ny valintenin'i Jesôsy; tsy hisy hanao toy izany mihitsy mantsy amin'izy ireo. Nanamarina ny valinteny feno fahatsoran'iiay mpanora-daiàna koa i Jesôsy ka nambarany fa tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra izy. Ny hoe tsy lavitra anefa dia tsy midika fa efa ao anatiny izy. Nilain'ilay mpanora-daiàna ny hanaiky ny momba an'i Jesôsy aloha ary koa ny hanara-dia Azy. Dingana iray lehibe kokoa izany eo amin'ny dia lavitry ny finoana.

Ahoana no hianarantsika mitia an'Andriamanitra sy ny namantsika tahaka ny tenantsika? Nahoana ny hazo fijaliana no vahaolana ho an'ny fanarahana ireo didy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal