Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY MARIKY NY BIBIDIA

Daty
Alarobia 29 May 2024

Vakio ny Apok. 12:12,17 sy ny Apok. 13:7. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny firehetan’ny fahatezeran'i Satana? Nahoana ny devoly no tezitra mafy amin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany? 

Miresaka ny amin'ny ady ifanaovan'i Kristy sy i Satana manerana ny vanim-potoana rehetra eo amin'ny tantara ny Apôk . 12. Tonga amin'ny faratampony izany amin'ny fanafihana farany ataon'i Satana amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny Apôk. 13 dia maneho ireo mpiara-dia roa amin'ny dragona, dia ny bibidia avy amin'ny rano sy ny bibidia avy amin'ny tany. Miara-miasa aminy ireo fahefana roa ireo mba hiady amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny Apôk . 13:4, 8, 12, 15 sy ny Apôk. 14:7, 9-11. (Jereo koa ny Apôk. 15:4; Apôk . 16:2; Apôk. 19:20; Apôk. 20:4; Apôk . 22:9.) Inona ny hevitra manan-danja indrindra hita ao amin'ireo andininy ireo?

Mariho ny fifanoherana eto. Na amin'ny Mpahary ny olona no miankohoka na amin-javatra hafa. Ny Mpahary no mendrika ny hiankohofana (Apôk . 5:9). Ny fifanandrinana misy eo amin'i Kristy sy i Satana dia nanomboka tany an-danitra ary mikasika ny fiankohofana izany: "Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra"- Isa. 14:14. Nirin'i Satana hatao aminy ny fiankohofana izay an’ny Mpahary irery ihany. Araka ny Apôk. 13 dia nahomby izy tamin'ny alalan'ny asan'ilay bibidia avy amin'ny tany (Apôk. 13:4).

Ny fampitahana amin'ny Dan. 7 dia maneho fa io bibidia avy amin'ny tany io ihany no ilay tandroka kely izay "mitady hanova fotoana sy lalana" ary mampihatra fahefana mandritra ny 1260 "andro" ara-paminaniana, izany hoe mandritra ny 1260 taona (Dan. 7:25; ampitahao amin'ny Apôk. 13:5; jereo ny lesona 6). Ny didy fahefatra no hany ampahany amin'ny didy folon'Andriamanitra izay mamaritra fotoana. lo fiangonana io no niezaka ny hanova ny andro fivavahana Sabotsy izay andro fahafito ho amin'ny Alahady, andro voalohany amin'ny herinandro.

Ny fitadiavan'ny fahefana iray eto an-tany hanova ny andro fivavahana Sabata andro fahafito izay nomen'Andriamanitra ho famantarana ny Fahefany (Eks. 31:13; Ezek. 20:12,20) dia fiezahana haka an-keriny ny fahefan'Andriamanitra amin'ny fotony araka izay azo atao. lo teboka io, araka izany, no ivon'ny fifanandrinana farany mahakasika ny fiankohofana tena izy sy ny sandoka.

Izany no antony iantsoan'ny Apôkalipsy ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky hoe: ireo "izay mitandrina ny didin'Andriamanitra" (Apôk. 12:17, Apok. 14:12). Anisan'izany ny Sabata andro fahafito, fa tsy ny Alahady. Ireo izay manda ny antso farany ataon'ireo anjely telo mba hiankohofana amin'Andriamnaitra amin'ny androny masina (Isa. 58:13) ary koa miankohoka amin'ny bibidia amin'ny sabatany sandoka (ny Alahady) dia handray ny mariky ny bibidia (jereo ny lesona 11). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal