Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TSY FIOVAOVAN'NY LALAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 27 May 2024

Vakio ny Mat. 5:17,18; Sal. 111:7, 8; Mpitt. 12:13, 14; 1 Jao. 5:3; sy ny Ohab. 28:9. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fifandraisan'ny Kristianina amin'ny lalàna? 

Manaraka ny dian'ireo mpanavao fivavahana protestanta izay nitandro ny fahamasinan'ny lalan'Andriamanitra ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito. Mariho ity fanambarana miezinezina nataon'i John Wesley ity: "Ny Tompontsika dia tonga mba handrava sy hanafoana tanteraka ireo fombafomba sy ny lalàna serernoniely nomen'i Mosesy ny zanak'Isiraely, izay mirakitra ireo didy sy fitsipika mifandraika amin'ny fanaovana sorona sy ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tempoly. (...) Tsy nofoanany kosa ny lalàna moraly ao anatin'ny didy folo sy nampiharin'ireo mpaminany. Tsy nanana tanjona hanaisotra ny ampahany amin'izany ny fahatongavany. Lalàna tsy azo ovana izany izay "mitoetra mafy toy ny vavolombelona mahatoky any an-danitra". (...) Tsy maintsy mitoetra manan-kery ho an'ny olombelona rehetra sy amin'ny vanim-potoana rehetra ny ampahany tsirairay amin'izany lalàna izany satria tsy miankina amin'ny fotoana na amin'ny toerana na koa amin'ny toe-javatra hafa mety hiova izany fa amin'ny toetran'Andriamanitra sy ny toetry ny olombelona ary ny fifandraisana tsy miova misy eo amin'izy ireo." — Upon Our Lord's Sermon on the Mount, Discourse V, John Wesley's Sermons: An Anthology (Nashville, TN: Abington Press, 1991), pp. 208, 209.

Ampitahao amin'ny Rôm. 7:11, 12; Sal. 19:7-11; Sal. 89:14; sy ny Sal. 119:142, 172 ny Eks. 34:5-7. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny fifandraisana misy eo amin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny toetrany?

Koa satria ny lalàn'Andriamanitra dia fandikana an-tsoratra ny toetrany, ary koa fanorenan'ny seza fiandrianany sy fototra iorenan'ny fitondrantenan'ny toetran'olombelona dia halan'i Satana izany. "Tsy nisy izay tsy nahita fa raha endrika na tandindon'ny any an-danitra ny fitoerana masina tety an-tany, dia kopia marin'ny lalàna ao amin'ny fiara any an-danitra ny lalàna napetraka tao amin'ny fiara teto an-tany; ary ny fanekena ny fahamarinana mikasika ny Fitoerana Masina any an-danitra dia mahafaoka ny fanekena ny fitakian'ny lalàn'Andriamanitra sy ny tsy maintsy hitandremana ny Sabatan'ny didy fahefatra. Teto ny tsiambaratelon'ny fanoherana mangidy sy hentitra natao tamin'ny fanazavana mirindra ny Soratra Masina izay nanambara ny fanompoana ataon' i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra." - HM, t. 449. 

Inona ireo antony ilazan'ny olona matetika fa tsy voatery hitandrina ireo didy folo intsony isika? Araka ny hevitrao, inona no miafina ao ambadik'izany tohan-kevitra izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal