Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toky ao anatin'ny fotoan-tsarotra

Daty
Alatsinainy 08 January 2024

Inoana fa samy mahafantatra sy efa niaina tao anatin'ny fahakiviana sy ny fahoriana avokoa ny Kristianina rehetra, dia fotoana izay nampametra-panontaniana azy ireo hoe: inona izao ataon'Andriamanitra izao? Nahoana no avelan'ny Tompo mitranga aminay (na amiko) izao zavatra izao? Efa nandalovan'ireo mpanao salamo koa izany, ary tsindrimandry avy amin'Andriamanitra no nanoratany ny fanandramana efa niainany.

Vakio ny Sal. 44. Inona no ambarany amintsika? Ary nahoana no zava-dehibe ho an'ny mpino rehetra mifandimby izany?

Ny fitsongantsongantsika ny Salamo mandritra ny fanompoam-pivavahana dia matetika maneho fa misy toe-tsaína na teny tsytiantsika aseho mandritra ny fiarahantsika mivavaka amin'ny besinimaro. Tsy haintsika na sarotra amintsika angamba ny miatrika ireo zava-misy mahatsiravina eo amin'ny fiainana ka izany no tsy ampiasantsika ny Salamo sasany. Indraindray mety mahatsapa isika fa tsy an-drariny ny fitondran'Andriamanitra antsika rehefa mamely antsika ny fahoriana, ary mihevitra isíka fa tsy mety ny hanehoana ny fisainantsika mandritra ny fanompoam-pivavahana miaraka amin'ny besinimaro, eny, na ao anatin'ny vavaka mangina ataontsika manokana aza.

Mety handiso antsika ny amin'ny tanjon'ny fivavahana anefa izany tsy fahitsiana izany. Ny tsy fanambarantsika amim-pahatsorana sy tsy amim-pihambahambana ny fihetseham- pontsika sy ny fomba fijerintsika eo anatrehan'Andriamanitra ao anatin'ny vavaka dia matetika mametraka antsika ho andevon'ny fihetseham-pontsika. Mahatonga antsika tsy hanana ilay toky sy fianteherana izay ilaintsika mba hanatonana an'Andriamanitra koa izany. Rehefa ataontsika tonom-bavaka ny Salamo dia mahazo toky isika fa tsy ny manery tena tsy hiaiky ny zavatra tsapantsika tsy akory no tadiavina amintsika rehefa mivavaka sy miankohoka amin'Andriamanitra.

Ny Sal. 44, ohatra, dia mety hanampy ireo mpivavaka tsy manan-tsiny haneho malalaka sy araka ny tokony ho izy ny fahoriana tsapany. Manampy ny olona hahatsapa fahafahana miteny malalaka ao anatin'ny vavaka ataony koa ny fanaovana ny Salamo ho tonom-bavaka. Izay teny tsy tafavoakantsika na tsy sahintsika lazaina no ataon'ny Salamo eo am-bavantsika. "Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny làlanao ny dianay. Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana."- Sal. 44:18,19.

Mariho anefa ny fanombohan'ny Sal. 44. Miresaka momba ny zava-nitranga tamin'ny lasa ny mpanoratra, dia ireo zava-dehibe maro nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany. Noho izany no anehoan'ny mpanoratra ny fitokiany amin'Andriamanitra fa tsy amin'ny tsipikany (Sal. 44:6).

Mbola tratry ny zava-tsarotra ihany ny vahoakan'Andriamanitra na eo aza izany. Lava sady mampahory ny fitanisana ny fahoriana sy ny fitarainana. Kanefa eo anivon'izany rehetra izany dia miantso an'Andriamanitra mba hanafaka azy ilay mpanao Salamo manao hoe: "avoty izahay araka ny famindram-ponao."- Sal. 44:26. Izany hoe fantany tsara ny momba an'Andriamanitra sy ny fitiavany na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra aza.

Rehefa mahatslaro ny lasa lanao, dia ny fotoana nahatsapanao marina ny fanatrehan'Andriamanitra, ahoana no anampian'izany anao hiatrika ny fotoan- tsarotra ankehitriny izay mahatonga anao hihevitra fa toa lavitra Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal