Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fitiavana mampihetsi-po lalina

Daty
Alatsinainy 20 January 2025

Aseho ao amin'ny bokin'i Hosea ny halalina tsy hay faritan'ny fitiavan Andriamanitra sy ny fiantrany ny olombelona. Izao no baikon’Andriamanitra tamin'i Hosea mpaminany: "Andeha janao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra- pijangajanga miala amin'i Jehôvah ny tany." Hôs. 1:2. Aty aoriana kely, dia miresaka momba ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany, amin'ny alalan'ny sary an'ohatry ny ray tia ny zanany ny Hôs. 11.

Vakio ny Hôs. 11:1-9. Ahoana no anehoan'ny fanoharana ao amin'ireo andalan-teny ireo ny fomba itiavan'Andriamanitra sy iheverany ny olony?

Ampitovina amin'ny fitiavana mamy itiavan'ny ray na ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra ny olony. Ny sary an'ohatra momba ny fampianarana ny zaza iray mandeha, ny fitrotroana ny zanaka malala, ny fanasitranana sy ny famelomana, ary ireo fikarakarana ombam-pitiavana ataon'Andriamanitra amin'ny olony no ampiasain'ny Soratra Masina eto. Ambaran'ny Soratra Masina koa fa "nitondra" ny olony "tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany" Andriamanitra (Deo. 1:31). "(...) Ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra." - Isa. 63:9.

Eo ankilan'ny fahatokiana mafy orina ananan’Andriamanitra dia mbola namerimberina ny tsy fahatokiany ireo olony ary niafara tamin'ny fandavana an'Andriamanitra mihitsy izany ka nahatonga loza tamin'izy ireo ary nampalahelo an'Andriamanitra fatratra. Be fiantrana Andriamanitra saingy tsy manilika ny rariny velively izany. (Ho hitantsika ao amin'ny lesona aoriana kely ao fa miara-dalana ny fitiavana sy ny fahamarinana/rariny.)

Efa nisy fotoana ve nahatohina fatratra anao ka nampandraiky narary ny kibonao mihitsy? Izany no karazan-tsary an'ohatra nampiasaina mba hanehoana ny fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny olony. Fomba fiteny hilazana fihetsehampo lalina, na ho an'Andriamanitra na ho an'ny olona, ny sary an'ohatra momba ny fo onena sy ny "alahelo mafy loatra".

lo sary an'ohatra momba ny "alahelo mafy loatra" io (kamar) no nampiasaina tao amin'ilay tantaran'ny vehivavy roa samy nitonona ho renin'ny zaza iray, izay nankeo amin'i Sôlômôna mpanjaka. Rehefa nanome baiko ny hizarana ny zaza ho roa i Sôlômôna dia io sary an'ohatra io no manoritsoritra ny fihetsehampon'ilay reny niteraka an'ilay zaza (1 Mpanj. 3:26; ampitahao amin'ny Gen. 43:30).

Izay efa ray aman-dreny dia mahalala tsara ny zavatra resahin'ny lesona. Tsy misy fitiavana azo ampitahaina amin'izany eto an-tany. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra antsika, ary inona ny fampaherezana azo sy tokony hosintonintsika avy amin'izany fahatakarana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal