Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Tsy miovaova ny toetran’Andriamanitra.

Daty
Talata 04 February 2025

Vakio ny Mal. 3:6 sy ny Jak. 1:17. Inona no ampianarin' ireo andalan-teny ireo antsika momba ny toetran’Andriamanitra?

Hoy Jehôvah ao amin'ny Mal. 3:6: "Fa Izaho Jehôvah dia tsy miova." Mety hisy hamaky io ampahan'andininy io ka handray ny heviny hoe tsy miova mihitsy Andriamanitra (ny asany, ny fihetsehampony); ny ampahany sisa amin'ireo andalan-teny ireo sy ny tontolon-keviny kosa anefa dia mampiseho fa ny tsy fiovaovana ambara eto dia ny tsy fiovaovan'ny toetrany sy ny fitsipiny. Asehon'ny andininy ambiny fa mety hiova Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pifandraisana, satria izao no nambarany: "ary noho izany, ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana" (NKJV). Ary izao no ambarany amin'ny vahoakany ao amin'ny andininy manarakaraka izany: "Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho" - Mal. 3:7.

Araka izany, dia mifandray amin'ny voariny Andriamanitra, fifandraisana izay andraisan'ny andaniny sy ny ankilany anjara izany, kanefa eo anatrehan'izany karazam-pifandraisana izany sy ny zavatra hafa rehetra, dia tsy miova ny toetran’Andriamanitra. Voalaza ao amin'ny Jak. 1:17 koa izany, izay manambara fa avy amin'Andriamanitra ny fanomezana tsara sy tanteraka rehetra, Izy ilay tsy misy fiovaovana. Tsy Andriamanitra no fototry ny ratsy.

Averin'ny Soratra Masina eto sy any amin'ny andalan-teny hafa ny fampianarana fa tsy miova ny toetran'Andriamanitra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia mampianatra mandrakariva ny Baiboly fa tsy miovaova ny fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra. Azony atao ny mifandray amin'ny voariny, ary manao izany tokoa Izy raha mamaly azy ireo, saingy amin'ny fitiavana sy araka ny rariny mandrakariva izany.

Vakio ny 2 Tim. 2:13 sy ny Tit. 1:2 ary ny Heb. 6:17,18. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo mikasika an'Andriamanitra?

Tsy mahazo mandà ny tenany Andriamanitra, tsy mba mandainga Izy ary manatanteraka izay nampanantenainy. Mahazo matoky isika fa Ilay Andriamanitry ny Baiboly ihany no llay Andriamanitra (ao amin'i Kristy) izay nanaiky hanolotra ny tenany ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Andriamanitra azo itokiana tanteraka Izy, ary mahazo matoky sy manantena ny hoavy isika, satria hoy ny Heb. 13:8: "Jesôsy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay."

Ahoana no hianaranao mitoky amin'ny fahatsaran'Andriamanitra na dia tsy mizotra araka ny tokony ho izy fa miharatsy aza ny toe-javatra eo amin'ny fiainanao? Ahoana no anampian'ny fieritreretanao an'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana anao hianatra hitoky amin'ny Fahatsarany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal