Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Very noho ny tsy fankatoavana

Daty
Alahady 02 February 2025

"Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy." — Gen. 3:5. 

Mofon’aina:
Rehefa hitan'i Eva fa "tsara ho fihinana ny hazo sady ahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany". (...) Tamin'ny fandikany izay nambaran'Andriamanitra dia nanjary mpaka fanahy ny vadiny izy, "ka dia nihinana izy" - Gen. 3:6. "Hahiratra ny masonareo" hoy ilay fahavalo; "ho tahaka an 'Andriamanitra hianareo hahalala ny tsara sy ny ratsy" - and. 5.

Nahiratra tokoa ny masony, saingy fahiratana mampalahelo manao ahoana re izany! Ny fahalalana ny ratsy sy ny ozon'ny fahotana no hany azon'ireo mpandika lalàna. Tsy nisy poizina akory tao amin'ilay voankazo, ary tsy ny fihinanana izany ihany no fahotana, fa ny tsy fitokiana tamin'ny fahatsaran'Andriamanitra, ny tsy finoana ny Teniny, ary ny fandavana ny fahefany no nahatonga ireo razambentsika voalohany ho mpandika lalàna. (...)

Very avokoa ny zavatra rehetra satria nifidy ny hihaino ilay mpamitaka ny olombelona toy izay ilay Fahamarinana izay hany manana ny fahalalana. Nanjary sahiran-tsaina ny olona rehefa nanafangaro ny tsara sy ny ratsy, nanjary votsa ny sainy sy ny fanahiny ka tsy hainy intsony ny mitia ny fahatsarana natolotr'Andriamanitra maimaimpoana.

Nifidy ny fahalalana ny ratsy i Adama sy i Eva, ka na dia ho tafaverina amin'ny toerana izay very teo aloha azy izy dia ho amin'ny fahasarotana, vokatr'izay nataony ihany. Tsy afaka nitoetra tao Edena intsony izy, ary tsy afaka ny hampianatra azy ireo . ny lesona nilainy sy mahasoa azy ny fahatanterahana tao. Tamin' alahelo tsy hay lazaina no nandaozany ilay toeram-ponenana mahafinaritra nisy azy, ka nifindrany tany amin'ny tany nitoeran'ny ozon'ny fahotana. (...)

Na dia rotiky ny ozona aza ity tany ity dia mbola navela ho bokin-desona ho an'ny olombelona hatrany ny zavaboary. Tsy ny tsara irery ihany intsony no hita eo aminy, satria eny rehetra eny koa ny ratsy ka manimba ny tany sy ny ranomasina ary ny rivotra. Maharay fampitandremana tsy miato avy amin'ny zavaboary, izay maneho ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy ankehitriny, ny olombelona, vokatry ny fahotana. — Fk, tt. 21,22. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal