Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tokim-panavotana

Daty
Alatsinainy 03 February 2025

"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." — Gen. 3:15. 

Mofon’aina:
Tamin'ny fotoana nihintsanan'ny ravin-kazo sy ny felamboninkazo   no nahitan'i Adama sy ilay mpanampy sahaza azy ny famantarana voalohan'ny fahalovana. Nazava sy velona tao an-tsainy ny zava-misy marina fa ny zava-manana aina rehetra dia tsy maintsy ho faty. Eny fa na ny rivotra izay niankinan'ny fiainany aza dia nitondra ny voan'ny fahafatesana. (…)

Nijoro ho mpanjaka teo anatrehan'ny voary teo ambany fifehezany i Adama raha nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra, ary nanaiky ny fahefany izao rehetra izao; saingy rehefa tsy nankatò izy dia very izany fahefana izany. (...) Tsy ny fiainan'ny olombelona ihany, araka izany, no mitantara ny les ona mahonena mikasika ny fahalalana ny ratsy, fa ny toetry ny biby koa, ny hazo any an'ala, ireo ahitra eny an-jaridaina ary indrindra fa ny rivotra izay iainana.

Tsy nafoy anefa ny olona manoloana ny vokatry ny safidy ratsiny. (...) "Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." - Gen. 3:15.

Ny didim-pitsarana notononina ho ren'ireo razambentsika dia nanjary teny fikasana ho azy. Nomena fehezanteny tsy latsa-danja amin'ny fanantenana izy ireo talohan'ny nandrenesany ny amin'ny tsilo sy ny hery, ny hasasarana sy ny alahelo izay tsy maintsy hihatra taminy, na ny vovoka izay tsy maintsy hiverenany. (...)

Averin'ny zavaboary amintsika koa izany fanambarana izany. Na eo aza ny fanimbana ataon'ny fahotana dia tsy ny famoronana ihany no asehon'ny zavaboary fa ny fanavotana koa. (...) Ma-nintsana ny raviny ireo hazo mba ho voarakotra indray amin'ny ravina vaovao maitso mavana; malazo ny voninkazo mba hamoaka hatsaran-tarehy vaovao indray; ary ny fanehoana hery hoenti-mamorona tsirairay dia antoka ho antsika fa mbola hohavaozina indray isika amin'ny "fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana" - Efes. 4:24. (...)

Arakaraka ny hipariahan'ny ratsy no ahenoana ny feon'Ilay Raintsika milaza amin'ireo zanany mba hijery ny toetry ny fahotana eo amin'izay vokatr' izany, ary koa mampitandrina azy hahafoy ny ratsy sy manasa azy hanaiky ny tsara. — Fk, tt. 22-24. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal