Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasambarana, arovan'ny lalàn'Andriamanitra

Daty
Talata 11 February 2025

  "Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria nofo ny nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo." - Rôm. 8:3.

Mofon’aina:
Tsy maintsy arovana amin'ny alalan'ny , lalàn'Andriamanitra ny fahasambaran'ny olom-belona. Ny fankatoavana ihany no mety hahitan'izy ireo ny fahasambarana marina. Ny lalàna no fefy napetrak'Andriamanitra manodidina ny tanim-boaloboka. Voaro amin'ny ratsy izay mankatà azy. Nanaraka ny lalàn'ny tenany i Adama rehefa nandika lalàna. Tonga andevo izy rehefa tsy nankatô. Toy izany no nidiran'ny singa mpanakorontana tao anatin'ny olombelona, avy amin'ny fitiavan-tena. (...)

I Kristy no maneho ny tena fenitra marina. Mety ho tafaray indray amin' Andriamanitra ny olombelona noho i Kristy. Tonga Izy mba hiharan'ny fanamelohana ho faty tokony ho an'ny mpandika lalàna. Tsy misy fitsipiky ny lalàna azo ovana na dia iray aza mba hanomezana fahafaham-po ny olona, na lahy na vavy, ao anatin'ny fahalavoany; izany no nahatonga an' i Kristy nanolotra ny ainy ho azy ireo, mba hiharan'ny sazin'ny tsy fankatoavana eo amin'ny toeran'izy ireo. Izay ihany no fomba azo namonjena ny olombelona, sy hany fomba nahazoana nanaporofo fa azon'izy ireo atao ny mitandrina ny lalàna. Tonga teto an-tany i Kristy ary nijoro teo amin'ny toeran'i Adama, ka nandresy teo amin'izay tsy nahombiazany. Natao ho fahendrena, fahamarinana, fahamasinana, ary fanavotana ho antsika Izy. (...)

 Talohan'ny nanorenana izao tontolo izao no efa nanome toky i Kristy fa hanolotra ny ainy ho avotraraha sanatria hivadi-pitokisana amin'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Naneho ny fitiavany Izy tamin'ny nampietreny ny tenany ka nidinany avy any an-danitra mba hiasa etS, anivontsika olombelona lavo (...). Tsy afaka niatrika ny fahavalo tamin'ny herin'ny tenany izy ireo. Natolotr'i Kristy ho an' ireo izay mibebaka sy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra ny Tenany sy izay rehetra nananany, ny voninahiny sy ny toetrany. Izany no hany fanantenana ho azy ireo. Nilaza mazava i Kristy fa tsy tonga handrava ny lalàna. "Io no fanehoana ny toetran'Andriamanitra, ary tonga Aho hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao. Tonga Aho hanamarina izany eo amin'ny fiainako maha-olombelona Ahy, hanome ohatry ny fankatoavana tanteraka." — ST, 13 Jona 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal