Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonana manome voninahitra an'i Kristy

Daty
Alakamisy 13 February 2025

"Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany." - Ohab. 22:6.

Mofon’aina:
Tsy maintsy ampianarina ny ankizy fa manana anjara atao   ao an-tokantrano izy. Omena sakafo izy ireo, ampiakanjoina, tiavina, karakaraina; koa tokony hanao izay hahasambatra ny ankohonana misy azy izy, araka izay azony atao, ho setrin'izany fiahiana azy izany. Toy izany no hahatonga azy ireo ho zanak'Andriamanitra sy misiônera ao an-tokantrano.

Ny fanaovan'ny ray aman-dreny tsirambina ny fanabeazana ny zanany dia tsy fanomezana azy ireo izay ilainy amin'ny famolavolana toetra tsara amin'ny lafiny rehetra. Raha avela manao izay tiany ny ankizy dia hihevitra fa tsy maintsy leferina izay rehetra ataony, tsy maintsy karakaraina izy, tsy maintsy atao ny sitrapony sy izay mahafaly azy. Hoentin'izy ireo eo amin'ny fiainany ara-panahy manontolo ny voka-dratsin'ny fomba nanabeazana azy toy izany tao an-tokantrano. 

Tian’Andriamanitra ho tandindon' ny ankohonan'ny lanitra ny ankohonantsika. Aoka ho -tsaroan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka isan'andro izany, ka hifampitondra toy ny mambran'ny ankohonan'Andriamanitra izy ireo. Ho tonga lesona ho an'izao tontolo izao izy ireo amin'izany, hampiseho ny atao hoe ankohonana tia an'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny. Homem-boninahitra i Kristy; hameno ny tokantrano toy ny hanitra sarobidy ny fiadanany sy ny fahasoavany ary ny fitiavany. Ho fanatitra tsara ho an'Andriamanitra ny fiainan'ireo zanaka Kristianina misiônera. Hahafaly ny fon'i Jesôsy izany, ary raisiny ho toy ny sarobidy indrindra amin'ny fanatitra.

Aoka hiankohofana ao amin'ny ankohonana tsirairay i Jesôsy Kristy Tompo. Raha manabe ny zanany araka ny tokony ho izy ny ray aman-dreny dia ho sambatra hahita ny vokatry ny fitaizana tsara nataony, tamin'ny namolavolany ny toetran-janany ho tahaka ny an' i Kristy. Manao fanompoana lehibe ho an'Andriamanitra tokoa izy ireo amin'ny fanehoany tokantrano milamina sy voafehy tsara eo imason'izao tontolo izao, tokantrano matahotra an'Andriamanitra, kanefa tsy izany ihany fa tokantrano manome voninahitra ny Tompo amin'ny ohatra tsara asehony amin'ny fianakaviana hafa; ary dia handray ny valisoany izy ireo. — RH, 17 Nôvambra 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal