Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò an'llay fahefana ambony indrindra.

Daty
Sabotsy 22 February 2025

 "Fa Petera sy ny Apôstôly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona." — Asa. 5:29.

Mofon’aina:
"Ilay foto-kevitra izay nijoroan'ny mpianatra tsy tamin-tahotra ho setrin'ny baiko natao taminy tsy hiteny intsony amin'ny anaran'i Jesôsy , ka nampiteny azy hoe: "Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra" - Asa. 4:19, mbola io ihany no nitoloman'ireo niandany tamin'ny Filazantsara hotazonina nandritra ny Fanavaozana ara-pivavahana. Tamin'ny taona 1529, rehefa nivory tany Diète any Spire ireo andriandahy Alemana nanatrika ny filankevitry ny fanjakana foibe, dia niseho tao ny didy navoakan'ny Amperora mametra ny fahafahana ara-pivavahana, ary misakana izay rehetra mety ho fanaparitahana ny foto-pinoana nohavaozina. (...) Hotampenana tsy hahatratra ny olona marobe mbola ao amin'ny haizina ve ny fahazavan'ny Filazantsara? Zava-dehibe indrindraª no ho vokatr'izao ho an'izao tontolo izao. Nifamory ireo nanaiky ny finoana nohavaozina ka izao no fanapahan-kevitra lanin'ny rehetra: «Holavintsika ny didy. Rehefa mikasika ny feon'ny fieritreretana, dia tsy manan-kery ny maro an'isa». Merle d'Aubigné, Tantaran'ny Fanavaozana ara-pivavahana, b. 13, toko 5. 

Tokony hotazonina mafy io foto-kevitra io amin'izao androntsika izao. Amin' izao ady farany izao, dia nafindra eto am-pelatanantsika ilay fanevan'ny fahamarinana sy ny fahafahana ara-pivavahana nasandratr'ireo nanorina ny fiangonan'ny Filazantsara avo sy ireo vavolombelon'Andriamanitra nandritra ireo taonjato maro efa lasa hatramin'izay. (...) Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin'Andriamanitra ny fitondram-panjakan'olombelona, ka hampianatra ny fankatoavana azy ho adidy marina, eo amin'ny faritra mifanaraka amin'ny lalàna isika. Rehefa manohitra ny fitakian'Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia Andriamanitra no tsy maintsy ekena mihoatra noho ny olona (...) Tsy azo ialana ny «izao no lazain' i Jehôvah » ho solon'ny hoe «izao no lazain'ny fiangonana» na ny ho «izao no lazain'ny fanjakana». (...)

Tokony hoheverina tsara ny tenintsika (...) sao mametraka antsika eo amin'ny toerana izay hilazana fa toa manohitra ny lalàna sy ny filaminana ny teny ataontsika. (...) Tokony handroso amin'ny anaran'i Kristy isika, ka hiaro ireo fahamarinana nankinina tamintsika. Raha raran'ny olona hanao io asa io isika, amin'izay isika dia afaka hiteny tahaka ny apostoly «(...) Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay». — VM, tt. 62,63. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal