Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manao ny fankatoavana ho zava-mahasarika.

Daty
Alahady 23 February 2025

"Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehôvah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin 'i Jehôvah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny làlana izay andidiako anareo anio mba haleha hianareo." - Deo. 11:26-28.

Mofon’aina:
Tsy manana fahafahana hanilika ny fenitra ara-pitondrantena napetrak'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ka hanangana fenitra mifanaraka amin'ny fisainany voafetra. Noho ny fampitahany ny tenany amin'ny namany sy ny fiainany araka ny fenitra napetrany manokana no mampiavosa ny faharatsiana sy mampangatsiaka ny fitiavan'ny maro. Atao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, izany no mahatonga ny maro handika izany, eny fa na ireo izay nandray ny fahazavan'ny fahamarinana aza dia tsy mafy orina eo amin'ny fahatokiany amin'ny lalàn'Andriamanitra. Moa ve hipaoka azy ireo ny onjan'ny faharatsiana izay misosososo mankamin'ny fahaverezana? Moa ve izy ireo hanohitra ny riana, amin-kerim-po sy amim-pahatokiana, ka hihazona ny fahatokiany amin'Andriamanitra eo anivon'ny ratsy izay mahazo vahana? (...)

Ireo izay mitonona ho manompo an'Andriamanitra dia tokony hanamaivana ny fahorian'ireo mijaly. Tokony hitondra ny voan'ny hazo tsara izy ireo. Ireo tena ao amin'i Kristy marina dia tsy hitondra fanoherana ao an-tokantrano na koa ao am-piangonana. Ireo ray aman-dreny izay manara-dia ny Tompo dia hazoto hampianatra ny zanany ny didy amam-pitsipik'Andriamanitra; tsy hanao izany amin'ny fomba izay hahatonga ny fanompoana an'Andriamanitra tsy hahasarika ny zanany izy. Rehefa tia an'Andriamanitra amin'ny fony manontolo ny ray aman-dreny dia hampihariny sy hampianariny ao an-tokantrano ny fahamarinana araka izay toetr'izany ao amin'i Jesôsy. (...)

Tokony handinika lalina ny tenantsika isika. (...)Aoka isika hangataka fahiratana ara-panahy amin'Andriamanitra mba hahitantsika ny fahadisoantsika sy hahatakarantsika ny kileman-toetrantsika. Raha toa isika mpanakiana sy mpanameloka ny hafa, (...) tia miresaka momba ny fisalasalana sy ny haizina, dia misy asam-pibebahana sy asam-panavaozana tokony hotantera hintsika. Tokony handeha ao amin'ny mazava isika, ary hanao teny mitondra fiadanana sy fifaliana. Aoka hitoetra ao amin'ny fanahy i Jesôsy. Ary ao amin'izay misy Azy no hisy ny hanitry ny toetra soa izay hisolo toerana ny alahelo sy ny fimonomononana ary ny fitarainana. - RH, 12 Jona, 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal