Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana handinihana ny fanambarana

Daty
Sabotsy 01 March 2025

"Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro." - Apôk. 1:3.

Mofon’aina:
Raha manakaiky ny fifaranan'ny tantaran'ny tany isika dia tokony handinika manokana ireo faminaniana mifandraika amin'ny andro farany. Feno fahamarinana izay tokony ho takatsika ny boky farany ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nohajambain'i Satana ny sain'ny maro mba hahitan'izy ireo fialan-tsiny samihafa tsy handinihana ny Apôkalipsy. (...)

Tokony hodinihina akaiky sy amim-pahazotoana kokoa io boky io [Apôkalipsy]; fanehoana ny fahamarinana amin'ny fomba hentitra kokoa no hita ao, fahamarinana izay mahakasika ny olona rehetra velona amin'izao andro farany izao. Izay rehetra miomana hitsena ny Tompo dia tokony handinika io boky io amim-pahamatorana sy amim-bavaka. Araka ny anarany mihitsy io boky io — fanambarana mikasika ireo toe-javatra manan-danja indrindra izay hiseho amin'ny andro farany amin'ny tantaran'ny tany. Natao sesitany tany amin'ny nosy Patmôs i Jaona noho ny fitokiany (...) tamin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Kristy. Tsy nampisaraka azy tamin'i Kristy anefa ny fanokana-monina azy tany. Namangy ity mpanompony mahatoky ity tany an-tsesitany ny Tompo ary nampahafantatra azy ny zavatra ho tonga amin'izao tontolo izao.

Manan-danja lehibe ho antsika izany fampahafantarana izany satria velona amin'ny andro farany eo amin'ny tantaran'ny tany isika. Tsy ho ela isika dia hahita ny fahatanterahan'ireo toe-javatra izay nambaran'i Kristy tamin'i Jaona. Raha mitory ireo fahamarinana lehibe ireo ny mpitondra hafatry ny Tompo, dia tokony ho tsapan'izy ireo fa mahakasika ny mandrakizay ny zavatra resahiny ka aoka izy hangataka ny batisan'ny Fanahy Masina, mba hitenenany ny teny izay nomen'Andriamanitra azy holazainy fa tsy ny teniny manokana. (...)

Efa mananontanona antsika ireo loza hiseho amin'ny andro farany, ary tokony hampitandrina ny olona ny amin'ny loza hianjera aminy isika eo amin'ny asantsika. Aoka tsy havelantsika amin'izao fotsiny ka tsy horesahina ireo toe-javatra miezinezina izay nambaran'ny faminaniana fa hitranga tsy ho ela. (...) Haneho fahalianana lehibe amin'ireo fahamarinana hita ao amin'io boky io ireo izay hiara-miasa amin'i Jesôsy Kristy Tompontsika (...). - ST, 4 Jolay 1906.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal