Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hitombo ny talenta ampiasaina amim-pahatokiana

Daty
Sabotsy 22 March 2025

"Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany; koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray - samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy." - Mat. 25:14,15.

Mofon’aina:
Aoka tsy hiandry ny fanosorana ireo mpitandrina ny famitana ny asa tokony hatao. Raha toa tsy misy mpitandrina afaka hanatontosa ny asa, aoka ny lehilahy sy ny vehivavy manam-pahalalana, izay tsy mieritreritra momba ny fomba hanangonany harena betsaka indrindra, honina any amin'ireny tanàna sy vohitra ireny ka hanandratra ny fanevan'ny hazo fijaliana, amin'ny fampiasana ny fahalalana efa azony ho famaboana fanahy ho an'ny fahamarinana.

 (...) Na dia ny talenta iray izay nankinin'ny Tompo aza dia tokony hampiasaina amim-pahatokiana mba hahazoana talenta hafa. Aiza ireo lehilahy sy vehivavy novelombelomin'ny reniranom-pitahiana izay nikoriana avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra? Aoka izy ireo hanontany tena ny amin'izay nataony mba hampitana izany fahazavana izany amin'izay tsy nanana ny tombontsoa nananany. Ahoana no hataon' ireo izay nanao an-tsirambina ny fampiasana ny talentany rehefa hijoro eo amin'ny fitsarana (...)? Nanankina talenta tamin'ny mpanompony tsirairay ilay Tompo avy any an-danitra. "(...) ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray -samy araka izay fahaizany avy." - Mat. 25:15. 

Tsy olom-bitsy notsongaina ihany no nomen'Andriamanitra talenta fa ny olon-drehetra (...). Maro tamin' ireo izay nomen'Andriamanitra talenta no nandà tsy hampiasa ireny ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra; hampamoa-hin'Andriamanitra ny amin'ny fomba nampiasany ny fanomezany anefa izy ireny. Ny olon-drehetra, na ny manompo an'Andriamanitra na ny manao izay mahafinaritra ny tenany, dia nanankinana fananana, ka ny fampiasana izany araka ny tokony ho izy dia hanome voninahitra an'Andriamanitra ary ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy kosa dia fandrobana ny Mpanome. Tsy manaisotra ny fahamelohan'ireo izay nomena ny talenta ny tsy fahatakarany ny zon'Andriamanitra hitaky izany aminy. Raha misafidy ny hilahatra eo ambany faneva maintin'ilay andrian'ny haizina izy amin'izao fiainana izao, dia handà azy i Kristy amin'ny andro farany izay hampamoahana azy. - ST, 23 Janoary 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal