Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Talentan'ny fiteny, ampiasao tsara

Daty
Alatsinainy 24 March 2025

"Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona hianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay." — Sal. 45:2.

Mofon’aina:
Raha misy fiezahana sy zotom-po dia azon'ny olona rehetra atao ny ho afaka hamaky teny amin'ny fomba ahazoana azy tsara, ny hiteny amin'ny feo feno, mazava, antonona, amin'ny fomba miavaka sy manaitra. Ny fanaovantsika izany dia mety hahitantsika vokatra betsaka eo amin'ny maha-mpiasa ho an'i Kristy antsika. 

Ny Kristianina tsirairay dia antsoina hampahalala amin'ny hafa ny haren'i Kristy tsy hita lany (...). Hampiseho ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba izay hahatonga ny mpihaino azy hankasitraka izany izy. Tsy notendren'Andriamanitra hanao teny kivalavala ireo olombelona ampiasainy ho fantsona. Tsy sitrapony ny hampihenan'ny olombelona na hanambaniany ireo fitahiana mitosaka izay mikoriana avy any an-danitra ho amin'izao tontolo izao amin'ny alalany.

Tokony hijery an'i Jesôsy isika, ilay ohatra tanteraka, tokony hivavaka isika hangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina, ary amin'ny heriny dia tokony hiezaka isika hitaiza ny sampana rehetra eo amin'ny tenantsika hanaovana asa tanteraka. 

Marina indrindra izany ho an' ireo izay nantsoina ho amin'ny fitoriana ampahibemaso. Ny mpitoriteny rehetra sy ny mpampianatra rehetra dia tokony hitana ao an-tsaina fa manome hafatra ho an'ny vahoaka izy izay iankinan'ny soa mandrakizay ho azy ireo. Ny fahamarinana izay nambara no hitsara azy amin'ny andro lehiben'ny fanadihadiana farany. Ary amin'ny olona sasany dia ny fomban'ilay mpitory no mahatonga ny handraisany na handavany ny hafatra entiny. Noho izany, aoka ny teny holazaina amin'ny fomba mazava hisarika ny saina sy hilatsaka ao am-po. Tokony hiteny miadana, mazava tsara ary amin'ny fomba mampieritreritra, nefa amin'ny hafanam-po rehetra izay takin'ny zava-dehibe lazaina. 

Ny fanolokoloana tsara sy ny fampiasana ny herin'ny fitenenana dia tokony ho hita eo amin'ny lafin'ny asa rehetra ataon'ny Kristianina (...). Tokony hanazatra ny tenantsika isika hiteny amin'ny feo mahafinaritra, hampiasa ny fiteny madio sy mahitsy, ary hampiasa teny feno halemem-panahy dia tahaka ny ando sy ny ranonorana malefaka ho an'ny fanahy. Ny Soratra Masina dia milaza ny amin'i Kristy fa fahasoavana no naidina tamin'ny molony «mba hahaizany manao teny hampahatanjaka izay reraka» - Isa. 50:41. — HF, tt. 345,346. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (66)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal