Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin'ny andro fahenina, miomàna

Daty
Talata 06 May 2025

  "Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an 'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina." - Eks. 16:23.

Mofon’aina:
Hita fa indroa heny ny habetsaky ny mana nomena tamin'ny andro fahenina, ary nanangona indroan'ny vata omera avy ny olona. Rehefa nahita izany nataon'ny olona izany ireo lohan'ny fiangonana, dia nampahafantatra faingana an'i Mosesy momba ity fandikana mazava ny toromarika nomeny ity. Saingy izao no navalin'i Mosesy azy: "Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina." — Eks. 16:23. Dia nataon'izy ireo tokoa izany, ary hitany fa tsy nasiso izany na notehirizina ho tra-maraina aza. Ary hoy Mosesy: "Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany." — Eks. 16:25,26.

Tsy latsa-danja noho ny tamin'ny fotoana nanomezany ireo toromarika manokana voalaza ireo ho an'ny Zanak' Isiraely ny mahasarotiny ny Tompo ankehitriny mikasika ny Sabatany. (...) Izay manao tsirambina ny fiomanana amin'ny andro fahenina ho amin'ny Sabata dia naman'ny mandika ny didy fahefatra sy ny lalan'Andriamanitra. Noraran'Andriamanitra ny fandrahoana sy ny fampangotrahana sakafo amin'ny andro Sabata rehefa nanome toromarika ny Isiraelita Izy. Tokony handray izany fandrarana izany ho fitsipika lehibe avy amin'i Jehovah koa izay rehetra mitandrina ny Sabata. Tsy tian'ny Tompo hanaram-po amin'ny hatendan-kanina mantsy ny vahoakany mandritra ny Sabata, izay andro natokany ho amin'ny fandinihan-tena masina sy ny fanompoam-pivavahana. (...)

 Nitsinjo sy naneho fitiavana lehibe ny vahoakany Andriamanitra tamin'ny nandrotsahany ny mana avy any an-danitra ho azy ireo. "Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona" (Sal. 78:25a); izany hoe ny anjely no nanome azy ireo izany. (...) Rehefa novokisana tsara tamin'izany ny vahoaka dia nahatsiaro menatra noho ny tsy finoany sy ny fimonomononany, ka nampanantena fa hatoky an'i JehOvah amin'ny hoavy. — ST, 15 Avrily 1880.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal