Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Takela-by mpanondro lalana sandoka

Daty
Alahady 11 May 2025

 

"Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo." - Eks. 31:13.

Mofon’aina:
Nosoritan'ny Tompo mazava ny lalana mankany amin'ny tananan'Andriamanitra saingy novan'ilay rain'ny fihemorana ny takela-by mpanondro lalana ka nosoloany sandoka - ny sabata sandoka izany. Hoy izy: "Hanao asa manohitra an' Andriamanitra aho. Homeko fahefana ny solontenako, ilay lehilahin'ota, mba hanitsakitsaka ny tsangambato naorin'Andriamanitra, ny Sabata andro fahafito. Amin'izany no hanehoako amin'izao tontolo izao fa efa novana ny andro nohamasinin'Andriamanitra sy notahiny. Tsy ho velona ao an-tsain'ny vahoakan'Andriamanitra intsony io andro io fa hofafako ny fahatsiarovana azy. Andro iray tsy mitondra ny tombokasen' ny lanitra no hasoloko ny toerany, andro iray izay tsy azo atao famantarana amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.

 "Hotarihiko ny olona izay manaiky io andro io hanamasina izany eo amin'ny toeran'ny andro fahafito napetrak' Andriamanitra. Hanandratra ny tenako amin'ny alalan' izay manam-pahefana manarakaraka ahy aho. Hasandratra ny andro voalohany, ary horaisin'ny tontolo protestanta ho toy ny Sabata marina io sandoka io. Amin'ny alalan'ny tsy fitandremana ny Sabata naorin' Andriamanitra no hanehoako ny tsy fanajana ny Lalany. Hampiasaiko hanohanana ny sabatako ny teny hoe: famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramininy taranakareo fara mandimby izany.' Amin'izany no hahatonga an' izao tontolo izao ho ahy. Izaho no hanapaka amin'ny tany, ho andrianan'izao tontolo izao. Hofeheziko ny fisainan'ireo eo ambany fahefako ka hanjary zavatra fanao tsinontsinona ny Sabatan'i Jehovah." (...) 

Napetrak' ilay lehilahin'ota ny sabata sandoka, ary efa nanaiky io zanaky ny fahefana papaly io ireo izay mitonona ho Kristianina ka manda tsy hankato an' Andriamanitra amin'izany. Tahaka izany no itarihan'i Satana ny lehilahy sy ny vehivavy ho amin'ny lalana mifanohitra amin'izay mankany amin'ilay tanana fialofana; ary ireo vahoaka marobe manaraka azy no maneho fa tsy i Adama sy i Eva irery no nanaiky ny tenin'ilay fahavalo fetsy.

Navadik'ilay fahavalo ny takela-by mpanondro lalana mba haneho ny lalan'ny tsy fankatoavana ho toy ny lalan'ny fahasambarana. - SDABC, b. 4, tt. 1171, 1172. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal