Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanajana ny Sabata ny fanaovan-tsoa

Daty
Alarobia 14 May 2025

 «Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.» - Mat. 12:12.

Mofon’aina:
Rehefa nanontaniana i Jesosy hoe: «Mety va ny manasitrana amin'ny andro Sabata?» dia novaliany hoe: oIza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.» — Mat. 12:11.

Tsy sahy namaly an'i Kristy teo anatrehan'ny vahoaka marobe ny mpitsikilo noho ny fahatahorany ho tafiditra ao amin'ny zava- tsarotra. Fantany fa nilaza ny marina Izy. Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofiny, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an'ny tompony ny fanaovana tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an'ny olona natao araka ny endrik'Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan'ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian'ny olona hanandratra ny tenany ho ambonin'Andriamanitra no niavian'ireny, ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin'ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an'Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin'ny famoronana, ary haverina aminy indray amin'ny alalan' i Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombam-bidiny ambony eo amin'ny olombelona ny Filazantsara, amin'izay novidin'ny ran'i Kristy, ary mampianatra ny hijery amim-pitiavana izay ilain'ny olona sy izay mampahory azy. (...) 

Rehefa nitodika tamin'ny Fariseo i Jesosy ka nanontany azy raha mety ny manao soa na ny manao ratsy amin'ny andro Sabata, (...) dia ny fikasan-dratsiny no nentiny nifanehatra taminy. Nihaza ny ain'i Jesosy tamin'ny fankahalana mangidy izy, nefa Izy kosa namonjy aina ary nitondra fahasambarana ho an'ny vahoaka marobe. (...)

 Nanameloka ny fomba amam-panaon'ny Jiosy (...) ny didy fahefatra. «Mety ny manao soa amin'ny andro Sabata», hoy ny nambarany. Nesorin'i Kristy ireo fameperana tsy misy dikany nataon'ny Jiosy, ary tamin'izany dia nanome voninahitra ny Sabata Izy, fa ireo nitaraina ny Aminy kosa no nanala baraka ny andro masin'Andriamanitra. — IFM, tt. 223,224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal