Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, natao hampifandrindra antsika amin'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 15 May 2025

« Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.» - Mar. 2:27.

Mofon’aina:
Rehefa nampangaina ho nandika ny Sabata i Jesôsy tao Betesda, dia niaro tena Izy tamin'ny fanambarana fa mifandrindra amin'izay ataon'ny Ray ny asany. Ny mpianatra indray izao no ampangaina. Maka ohatra avy ao amin'ny Testamenta Taloha ho an'ny mpiampanga i Jesosy, dia ohatra mampiseho fihetsika nataon'izay teo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra tamin'ny Sabata.

Nireharehan' ireo mpampianatra j iosy ny fahalalany ny Soratra Masina, ary nisy fanomezan-tsiny ny tsy fahalalany ny Soratra Masina ny valin-tenin'ny Mpamonjy. Hoy Izy: "Tsy mbola novakinareo va ny teny izay milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana, (…) nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?" (Mat. 12:3-5) (dia hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata; ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona." - Mar. 2:27. "Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota amin'ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly (..) Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. " (Mat. 12:5-7,9).

Tsy navelan' i Jesôsy handeha amin'izao tsy nanomezany tsiny ny fahavalony my toe-javatra iny. Nambarany fa noho ny fahajambany dia diso fihevitra izy momba ny zava-kendren'ny Sabata. Hoy Izy: "Fa raha fantatrareo izay hevifry ny teny hoe: Tamindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo " (Hos. 6:6). Ny fanompoam-pivavahana marobe tsy ataony amin'ny fo dia tsy afaka hameno ny fahabangan'ny fahamarinan-toetra mahatoky sy ny fitiavana mamy izay hampiavaka mandrakizay ny tena mpivavaka marina amin'Andriamanitra. (…)

Ny fanompoan'ny fitiavana no misy tombam-bidiny amin'Andriamanitra. Rehefa banga izany, dia fanafintohinana ho Azy ny fanompoam-pivavahana marobe mifandimby fotsiny. Toy izany koa ny amin'ny Sabata. Natao hitondra ny olona hifandray amin'Andriamanitra izany; nefa raha variana amin'ny fombam-pivavahana mandreraka ny saina, dia voasakana ny zava-kendren'ny Sabata. Fanarabiana ny fitandremana azy ivelambelany fotsiny. — IFM, tt. 222,223. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal