Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, famantarana ny fifandraisana araka ny fanekena.

Daty
Zoma 16 May 2025

 "Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak 'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan 'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." - Eks. 31:17.

Mofon’aina: 
Tsy hanao tsinontsinona ny Tenin'Andriamanitra tahaka   izay ataony ankehitriny ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa manaiky ilay Sabata marina. Ho rojo volamena mampifamatotra azy amin'ny Mpamorona azy ny fitandremana ny andro fahafito. Tsy omen-kaja no sady dikaina anefa ny didy izay manondro ny toetr 'ilay Andriamanitra marina — ilay Mpamorona no sady Mpifehy ny tany. Izany no antony tsy mampisy filaminana eto amin'izao tontolo izao. Nanosi-bohon-tanana ny famantarana napetrak'Andriamanitra ny fiangonana ary naneho ny Toetrany tamin'ny fomba diso. (...) 0! Enga anie ny lehilahy sy ny vehivavy hitsahatra tsy hampisaraka ny tenany amin'ny lanitra amin'ny fitondrantena ratsiny intsony! MR 5:82. 

Nodikaina ny lalan' Andriamanitra ka miantso vahoaka iray Izy mba hanarina izany fandikan-dalana izany. (...) Tsy ho ela, dia hisy lalana holanina izay hanery ny rehetra hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro eo amin'ny toeran'ny andro fahafito. Tsy maintsy hiatrika izany zava-tsarotra izany isika ary ho tojo olana, na dia tsy mandranitra ady amin'ireo izay mitonona ho mitandrina ny didin'Andriamanitra aza. - MR 5:82, 83. 

Atao eo anoloantsika ireo teny mazava ireo [Eks. 31:16, 17], koa iza amin'izay mahalala ny fahamarinana no ho sahy hanao tsinontsinona ny lafin-javatra mampiavaka ny finoantsika? Toe-javatra iray mifono fahamarinana ny nanaovan' i Jehôvah Tompo an' izao tontolo izao tao anatin'ny henemano. sy ny nitsaharany tamin'ny andro fahafito ka tokony hotorina amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny samihafa fiteny sy ny olona rehetra. (...) 

Famantarana amin'Andriamanitra sy ny olony ny Sabata, ary koa porofon'ny fahalemem-panahiny sy ny famindrampony ary ny fitiavany; marika mampiavaka ny vahoakany amin' ireo mpivavaka sandoka rehetra eto amin'izao tontolo izao izany. Ary Andriamanitra mihitsy no nivoady fa hitahy azy ireo noho ny fankatoavany, naneho taminy fa Izy no Andriamanitr'izy ireo ary koa nanorina fifandraisam-panekena taminy no sady hanatanteraka ny teny fikasany amin'izay rehetra mankato. - MR 5:84. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal