Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, famantarana ny fifandraisana araka ny fanekena.

Daty
Zoma 16 May 2025

 "Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak 'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan 'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." - Eks. 31:17.

Mofon’aina: 
Tsy hanao tsinontsinona ny Tenin'Andriamanitra tahaka   izay ataony ankehitriny ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa manaiky ilay Sabata marina. Ho rojo volamena mampifamatotra azy amin'ny Mpamorona azy ny fitandremana ny andro fahafito. Tsy omen-kaja no sady dikaina anefa ny didy izay manondro ny toetr 'ilay Andriamanitra marina — ilay Mpamorona no sady Mpifehy ny tany. Izany no antony tsy mampisy filaminana eto amin'izao tontolo izao. Nanosi-bohon-tanana ny famantarana napetrak'Andriamanitra ny fiangonana ary naneho ny Toetrany tamin'ny fomba diso. (...) 0! Enga anie ny lehilahy sy ny vehivavy hitsahatra tsy hampisaraka ny tenany amin'ny lanitra amin'ny fitondrantena ratsiny intsony! MR 5:82. 

Nodikaina ny lalan' Andriamanitra ka miantso vahoaka iray Izy mba hanarina izany fandikan-dalana izany. (...) Tsy ho ela, dia hisy lalana holanina izay hanery ny rehetra hitandrina ny andro voalohany amin'ny herinandro eo amin'ny toeran'ny andro fahafito. Tsy maintsy hiatrika izany zava-tsarotra izany isika ary ho tojo olana, na dia tsy mandranitra ady amin'ireo izay mitonona ho mitandrina ny didin'Andriamanitra aza. - MR 5:82, 83. 

Atao eo anoloantsika ireo teny mazava ireo [Eks. 31:16, 17], koa iza amin'izay mahalala ny fahamarinana no ho sahy hanao tsinontsinona ny lafin-javatra mampiavaka ny finoantsika? Toe-javatra iray mifono fahamarinana ny nanaovan' i Jehôvah Tompo an' izao tontolo izao tao anatin'ny henemano. sy ny nitsaharany tamin'ny andro fahafito ka tokony hotorina amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny samihafa fiteny sy ny olona rehetra. (...) 

Famantarana amin'Andriamanitra sy ny olony ny Sabata, ary koa porofon'ny fahalemem-panahiny sy ny famindrampony ary ny fitiavany; marika mampiavaka ny vahoakany amin' ireo mpivavaka sandoka rehetra eto amin'izao tontolo izao izany. Ary Andriamanitra mihitsy no nivoady fa hitahy azy ireo noho ny fankatoavany, naneho taminy fa Izy no Andriamanitr'izy ireo ary koa nanorina fifandraisam-panekena taminy no sady hanatanteraka ny teny fikasany amin'izay rehetra mankato. - MR 5:84. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal