Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andron'ny fanasitranana sy fifaliana

Daty
Sabotsy 17 May 2025

 "Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin 'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin 'ny andro Sabata." - Lio. 13:14.

Mofon’aina:
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao hianao. Dia nametraka ny tanany taminy Izy; ary niaraka tamin' izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an 'Andriamanitra ." - Lio. 13:10-13. 

Nanohina ilay fon'i Kristy be fangorahana ny nahita an' ity vehivavy nijaly ity, ary azo heverina fa ny olombelona rehetra izay nijery azy dia ho nifaly tamin'ny nanapahana ny fatorany sy ny nanasitranana azy tamin'ny fahoriana izay nampiondrika azy nandritra ny valo ambin'ny folo taona. Tsikaritr'i Jesosy teo amin'ny endrika maloka sy feno fahatezeran' ireo mpisorona sy raby kosa fa tsy mba nahatsapa fifaliana noho ny nanafahana an-dravehivavy izy ireo. (...) Tsy nahatsapa fankasitrahana izy ireo raha nanjary nahitsy tsara ny vatan-dravehivavy izay niova bika teo, ary koa raha nampifaly ny fon-dravehivavy ny Fanahy Masina mandra-pipololotran' ny fisaorana avy tao ka nahatonga azy nanome voninahitra an' Andriamanitra. 

Hoy ny mpanao Salamo: "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy." - Sal. 50:23a. Nisy feo hafa naningana anefa teo anivon'ireo teny feno fankasitrahana. "Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata." - Lio. 13:14a. (...)

Raha tena nihaino ny feon'ny fieritreretany mahakasika ny fitan-dremana ny Sabata araka ny tokony ho izy anefa io lehilahy io, dia ho hainy ny nanavaka ny toetry ny asa nataon'i Kristy. (...) Nifandrindra tamin'ny fanamasinana ny andro Sabata mantsy izany. Talanjona sy faly teo anatrehan'izay natao tamin'ity vehivavy nijaly ity ny olona tetsy sy teroa; tao ireo voakasika am-po sy ireo izay nahazo fahazavan-tsaina, izay ho nanjary mpianatr'i Kristy raha tsy teo ny endrika maloka sy feno fahatezeran' ireo raby. - ST, 23 Avrily 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal