Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny ohatry ny fahamasinan'ny Sabata.

Daty
Alatsinainy 19 May 2025

 "Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha." - Deo. 6:6,7.

Mofon’aina:
Nisy tsy fahombiazana tao amin'ny ankohonanao teo amin'ny fankamamiana ny fahamasinan'ny Sabata sy ny fampianarana ny zanakao ary ny fampitana aminy ny lanj an'ny fitandremana izany araka ny didy. Manjavozavo ny fahatakaranao ary tsy hainao ny manavaka ny fenitra ambony tokony hotratrarina mba hahatonga antsika ho mpitandrina ny didy. Hanampy anao amin'ny ezaka ataonao anefa Andriamanitra rehefa manao ny asa amin'ny fo tokoa ianao. Tokony hanana fifehezan-tena tanteraka ianao, amin'izany no hahombiazanao bebe kokoa amin'ny fifehezana ny zanakao rehefa tsy manaraka ny fitsipika izy ireo.

Asa lehibe no manoloana anao ho fanarenana ireo tsirambina tamin'ny lasa, nefa tsy takina ny hanaovanao izany amin'ny herin'ny tenanao manokana. Hanampy anao (...) ny anjely. Aza avela ny asa ary aza apetraka ny enta-mavesatra, hazony amim-pahavononana izany ary areno ny tsirambina nataonao hatrizay. (...) Tokony hovitaina ao anatin'ny henemana nomen'Andriamanitra anao izay rehetra azo atao mandritra izany. 

Aoka ianao tsy hangalatra na dia ora iray aza amin'ny ora masin'Andriamanitra.

Fitahiana lehibe tokoa no ampanan-tenaina an' ireo manome tombambidy ambony ny Sabata sy mahatsapa ny andraikitra apetraka aminy momba ny fitandremana izany. "Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehôvah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy (...) Dia hiravoravo amin'i Jehôvah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakôba rainao; fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny." - Isa. 58:13,14. (...)

Tsy misy teny na asa tokony hatao amin'ny Sabata raha toa izany ka fanitsakitsahana ny Sabata masina eo imason'Andriamanitra. Tsy ny hitsaharan'ny vatantsika amin'ny asa ihany no ta-kin'Andriamanitra rehefa Sabata fa takiny koa ny hifehezantsika ny saintsika mba tsy hieritreritra afa-tsy izay zava-masina. - TFC, b. 2, tt. 701-703.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal