Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, mampahatsiahy antsika ny heriny hoenti-mamorona

Daty
Zoma 23 May 2025

"Lehibe Jehôvah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany." - Sal. 145:3.

Mofon’aina:
Misy ireo mpandinika momba ny haibolantany tsy mpino an'Andriamanitra izay milaza fa mihoatra lavitra noho izay tantarain'ny Baiboly ny fahelan'ny tany. Lavin'izy ireo ny fanambaran'ny Tenin'Andriamanitra noho ireo porofo izay heveriny fa maneho ny fisian'ny tany efa an-tapitrisa taona maro. Ary maro amin'ireo izay milaza fa mino ny Baiboly no tsy mahay manazava ireo zava-mahatalanjona hita eto ambonin'ny tany raha toa ka fito andro ara-bakiteny monja ny faharetan'ny famoronana ary enina arivo taona monja no nisian'ny tany. Mba hisorohana ny olana amin'ireo mpahay haibolantany tsy mpino, dia eken'ireny olona ireny fa fotoana enina naharitra sy tsy voafaritra ny henemana nanaovana ny Famoronana ary koa ny andro fitsaharan'Andriamanitra dia fotoana iray hafa izay tsy voafaritra koa. Mahatonga ny didy fahefatry ny lalàna masin'Andriamanitra tsy hanana ny dikany izany. (...)

Misy taolam-biby sy taolan'olona hita tao ambanin'ny tany, tany an-tendrombohitra sy tany an-dohasaha, izay maneho fa fahiny dia nisy biby sy olona lehibe kokoa noho izay misy amin'izao andro izao. Matetika koa no ahitana fitaovam-piadiana sy hazo nanjary vato. Noho ireo (...) no mahatonga ny olona sasany hanatsoaka hevitra fa efa ela talohan'ny tantaran'ny Famoronana no nonenan'ny taranaka lehibe sy vaventy noho ny amin'izao teto an-tany. Voafetra ihany ny fihevitr'ireo izay misaina toy izany momba ny haben'ny olona sy ny biby ary ny hazo talohan'ny Safodrano ary koa ny fiovana lehibe niseho teto an-tany taorian' izany.
Tsy afa-manaporofo na inona na inona ny haibolantany raha tsy eo ny tantaran'ny Baiboly(...). Eoambonin'ny ranomasimben'ny fisalasalana sy ny fahaverezan-kevitra ny olona rehefa miala amin'ny Tenin'Andriamanitra ka mitady hanazava ny asa famoronana amin'ny alalan'ny zavaboary. Tsy mbola nampahafantarin'Andriamanitra ny olona mety maty mihitsy ny fomba nanatontosany ny asa famoronana tao anatin'ny enina andro ara-bakiteny. Tsy takatry ny saina tahaka ny fisiany ihany ny asa famoronana nataony. - ST, 20 Marsa 1879.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal