Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianakaviana miara-mitandrina ny Sabata

Daty
Alatsinainy 26 May 2025

 "Koa aoka ho fantatrao fa Jehôvah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby." - Deo. 7:9.

Mofon’aina:
Diniho ny Soratra Masina, ry ray aman-dreny. Aoka ianareo tsy ho mpihaino fotsiny fa ho mpanatanteraka ny Teny. Araho ny fenitra napetrak'Andriamanitra eo amin'ny fanabeazana ny zanakao. Aoka izy ireo hahita fa miomana ho amin'ny Sabata ianao mandritra ireo andro iasana ao anatin'ny herinandro. Tokony hatao ny fiomanana rehetra, (...) mandritra ny andro fiasana; aoka hovitaina ao anatin'ny andro fiomanana ny fandrahoana ny sakafo rehetra ho an'ny Sabata. Azo atao izany, ary raha ataonao fitsipika izany dia azonao tanterahina. (...)

 Hazavao amin'ny zanakao ny asa ataonao sy ny tanjona kendrena amin'izany, ary aoka izy ireo hanampy ny tenany sy ny ray aman-dreny amin'ny fanomanana ny fitandremana ny Sabata araka ny didy folo. Tariho ny zanakao hanao ny Sabata ho fahafinaretana, ho andro miavaka indrindra, ho masin'i Jehôvah, ary mendrika hohajaina. (...) 

Ny Zoma, dia tokony efa voaoman' ny ankizy, eo ambany fanaraha-mason'ny renim-pianakaviana, ny fitafian'izy ireo, mba hahafahany miomana haingana tsy amim-pirotorotoana na amim-pikorontanana ary koa mba hialana amin'ny tenim-pahatezerana. (...)

 Tokony hanokana ny fotoana rehetra azony atokana ho an'ny zanany ny ray aman-dreniny rehefa Sabata, mba hahatonga izany ho fahafinaretana. (...) Rehefa tsara ny andro, dia azon'ny ray aman-dreny atao ny mitondra ny zanany manao dia an-tongotra any an-tsaha na any anaty ala; amin'izany no iresahana aminy ny momba ireo hazo mijoalajoala sy ny kirihitra ary ny voninkazo, ary koa ampianarana azy fa Andriamanitra no Mpamorona ireo rehetra ireo. Ampianaro azy ireo avy eo ny antony isian'ny Sabata, mba ho fahatsiarovana ireo asa famoronana nataon'Andriamanitra. Nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito rehefa avy niasa tao anatin'ny henemana, ary notahiny sy nohamasininy izany andro nitsaharany izany. Tahaka izany no anomezana ny fampianarana mahasoa indrindra. - LUH, 14 Avrily 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal