Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahitana iray momba ny Sabata.

Daty
Alarobia 28 May 2025

 "Fa Sabatan'i Jehôvah Andriamanitrao ny andro, fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa." - Deo. 5:14

Mofon’aina:
Nitsangana teo anilan'ny fiaran'ny fanekena i Jesôsy, ary rehefa niakatra nankeo Aminy ny vavak'ireo olona masina, dia namoaka setroka ny ditin-kazo manitra teo amin'ny fandoroana izany, ary natolony ny Ray ny vavak'izy ireo niaraka tamin'ny setroky ny ditin-kazo manitra amin'izy rehetra, satria natokana ny Sabata mba hanomezan-kaja ny anara-nasin'Andriamanitra. (...) 

Tao anatin'ny fiaran'ny fanekena ny lovia volamena nisy ny mana, ny tehin'i Arôna izay nitsimoka, ary ireo vato fisaka nisy ny lalàna (...). Nosokafan'i Jesôsy izany, ary hitako ny didy folo voasoratry ny rantsan-tanan'Andriamanitra teo amboniny. Teo amin'ny vato fisaka iray ny didy efatra, ary teo amin'ny ilany kosa ny enina. Namirapiratra kokoa noho ireo didy enina ireo didy efatra teo amin'ny vato fisaka voalohany, nefa ny didy Fahefatra izay momba ny Sabata no namirapiratra indrindra.

Ary naseho ahy fa raha toa Andriamanitra nanova ny Sabata hiala amin'ny andro fahafito ho amin'ny andro voalohany, dia ho nanova ny soratra teo amin'ny didy momba ny Sabata Izy, izay voasoratra teo amin'ny vato fisaka (...). Ho nanao toy izao ny fivakin' izany: Fa Sabatan' i Jehôvah Andriamanitrao ny andro voalohany. Naseho ahy anefa fa tsy niova izay nosoratan'ny rantsan-tanan'Andriamanitra teo amin'ireo vato fisaka nomena an'i Mosesy teo Sinay, "Fa Sabatan’i Jehôvah Andriamanitrao ny andro fahafito." - Eks. 20:10a.

Naseho ahy fa ny Sabata masina no rindrina mampisaraka ny tena Isiraelin'Andriamanitra sy ireo tsy mpino, ankehitriny ary amin'ny hoavy (…). Naseho ahy fa manana zanaka izay tsy mahalala ny Sabata sy tsy mitandrina izany Andriamanitra. Tsy nandà ny fahazavana mamirapiratra eo amin'izany anefa izy ireo. Ary rehefa hanomboka ny androm-pahoriana, dia hofenoina ny Fanahy Masina isika ka handeha hitory ny Sabata amin'ny fahafenoana kokoa. - LS, 100, 101. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal