Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahitana iray momba ny Sabata.

Daty
Alarobia 28 May 2025

 "Fa Sabatan'i Jehôvah Andriamanitrao ny andro, fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa." - Deo. 5:14

Mofon’aina:
Nitsangana teo anilan'ny fiaran'ny fanekena i Jesôsy, ary rehefa niakatra nankeo Aminy ny vavak'ireo olona masina, dia namoaka setroka ny ditin-kazo manitra teo amin'ny fandoroana izany, ary natolony ny Ray ny vavak'izy ireo niaraka tamin'ny setroky ny ditin-kazo manitra amin'izy rehetra, satria natokana ny Sabata mba hanomezan-kaja ny anara-nasin'Andriamanitra. (...) 

Tao anatin'ny fiaran'ny fanekena ny lovia volamena nisy ny mana, ny tehin'i Arôna izay nitsimoka, ary ireo vato fisaka nisy ny lalàna (...). Nosokafan'i Jesôsy izany, ary hitako ny didy folo voasoratry ny rantsan-tanan'Andriamanitra teo amboniny. Teo amin'ny vato fisaka iray ny didy efatra, ary teo amin'ny ilany kosa ny enina. Namirapiratra kokoa noho ireo didy enina ireo didy efatra teo amin'ny vato fisaka voalohany, nefa ny didy Fahefatra izay momba ny Sabata no namirapiratra indrindra.

Ary naseho ahy fa raha toa Andriamanitra nanova ny Sabata hiala amin'ny andro fahafito ho amin'ny andro voalohany, dia ho nanova ny soratra teo amin'ny didy momba ny Sabata Izy, izay voasoratra teo amin'ny vato fisaka (...). Ho nanao toy izao ny fivakin' izany: Fa Sabatan' i Jehôvah Andriamanitrao ny andro voalohany. Naseho ahy anefa fa tsy niova izay nosoratan'ny rantsan-tanan'Andriamanitra teo amin'ireo vato fisaka nomena an'i Mosesy teo Sinay, "Fa Sabatan’i Jehôvah Andriamanitrao ny andro fahafito." - Eks. 20:10a.

Naseho ahy fa ny Sabata masina no rindrina mampisaraka ny tena Isiraelin'Andriamanitra sy ireo tsy mpino, ankehitriny ary amin'ny hoavy (…). Naseho ahy fa manana zanaka izay tsy mahalala ny Sabata sy tsy mitandrina izany Andriamanitra. Tsy nandà ny fahazavana mamirapiratra eo amin'izany anefa izy ireo. Ary rehefa hanomboka ny androm-pahoriana, dia hofenoina ny Fanahy Masina isika ka handeha hitory ny Sabata amin'ny fahafenoana kokoa. - LS, 100, 101. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal