Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Marina eo amin'ny asa fa tsy ao am-piangonana ihany 

Daty
Alatsinainy 02 June 2025

"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12.

Mofon’aina:
Ny olona tena matahotra an'Andriamanitra dia hifidy ny hiasa mafy andro aman'alina mba hihinanana mofo tsizarizary toy izay hampanaram-po ny fankamamiana tombontsoa avy amin'ny fampahoriana ny mpitondratena sy ny kamboty na koa amin'ny fandrobana ny zon'ny vahiny. Nataon'ny Mpamonjintsika izay hahatakaran'ireo mpihaino Azy fa ny olona izay manambaka ny namany amin'ny tsipirian-javatra bitika dia hanandrana hanao izany amin-javatra lehibe kokoa raha misy ny toe-javatra ahafahany manao izany. Mandrodana ny fefy ny fialana kely foana amin'ny fahitsiana ary manomana ny fo ho amin'ny fanaovana ny tsy marina bebe kokoa. Tamin'ny torolalana sy ny ohatra no nampianaran'i Kristy fa ny fahitsiana hentitra indrindra no tokony hifehy ny fitondrantenantsika manoloana ny olombelona namantsika. Izao no nambaran'ilay Mpampianatra avy any an-danitra: "na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany." 

Rehefa mahazo tombontsoa avy amin'ny fahavoazan'ny hafa nyolona dia manjary donto ny fisainany ka tsy mety iasan'ny hery miasa manginan'ny Fanahin'Andriamanitra intsony. (...) Tsara kokoa ny mahantra noho ny mandainga; tsara kokoa ny noana noho ny mangalatra (…). Tompon'andraikitra amin' ny ampahany lehibe amin'ireo fahotan'ny mambra ao aminy ny fiangonana; mankasitraka ny ratsy izy raha toa tsy miteny mafy izany. Tsy ny hery miasa mangina avy amin'ireo mpanohitra miharihary sy ny tsy mahatoky ary ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra no tokony hatahoran'ny fiangonana indrindra fa ny an'ireo mpampianatra momba an'i Kristy nefa tsy mitondra tena araka izany. Ireny no manakana ny fitahian'Andriamanitra tsy ho amin'ny Isiraely. (...) 

Tsy amin'ny Sabata (...) ihany no anehoana ny tena fivavahana marina fa natao ho an'ny andro sy ny toerana rehetra izany. (...) Ireo izay manana ny fivavahana marina dia haneho fahitsiana eo amin'ny asa sy ny raharahany rehetra tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fivavahany eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana izy. - SW, 10 Mey 1904

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal