Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza manararaotra ny fahavoazan'ny hafa.

Daty
Alakamisy 05 June 2025

«Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho tsatòka.» - Deo. 24:17.

Mofon’aina:
Tsy eken'ny Soratra Masina ny hisian'ny sokajin'olona izay hahazo harena amin'ny alalan'ny famoretana sy ny fampijaliana ny hafa. Mampianatra antsika izany hametraka ny tenantsika eo amin'ny toeran'izay mifampiraharaha amintsika eo amin'ny asa aman-draharahantsika rehetra, tsy hijery fotsiny izay mikasika antsika, fa mba hijery koa izay mikasika ny hafa. Izay manararaotra ny fahorian'ny hafa mba hanasoavana ny tenany, na izay mitady tombontsoa ho an'ny tenany amin'ny alalan'ny fahalemen'ny hafa na ny tsy fahaizany, dia mpandika ny fitsipiny.

«Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian 'ny mpitondratena ho tsatôka». "Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. Mijanôna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisaborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano. Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka." "Raha moka ny lamban 'ny namanao ho tsatôka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro; fa izany ihany no firakofany ... ka inona no hoentiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho". "Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao hianao, aza misy manao sarotra". - Deo. 24:17,10-12; Eks. 22:25,26; Lev. 25:14.

"Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana; na amin 'ny fandanjana, na amin'ny famarana». «Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao." "Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo." - Lev. 19:35; Deo. 25:13,14; Lev. 19:36 

«Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisam-botra aminao». «Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manonitra. Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.» - Mat. 5:42; Sal. 37:21.

«Manolora saina, manomeza rariny, ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay antoandro mitataovovonana iny aza; afeno izay voaroaka, ary aza aseho izay mandositra! » «Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; ary aoka ho fiereny hianao mba tsy ho azon'ny mpandringana izy.» - Isa. 16:3,4.

Ny drafitry ny fiainana izay nomen'Andriamanitra ny Isiraely dia notendrena ho lesona azo tsapain-tanana ho an'ny olombelona rehetra. Raha ampiharina ireo foto-kevitra ireo, ho hafa manao ahoana re ity tany ity e! — TMF, tt. 119,120. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal