Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza manararaotra ny fahavoazan'ny hafa.

Daty
Alakamisy 05 June 2025

«Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho tsatòka.» - Deo. 24:17.

Mofon’aina:
Tsy eken'ny Soratra Masina ny hisian'ny sokajin'olona izay hahazo harena amin'ny alalan'ny famoretana sy ny fampijaliana ny hafa. Mampianatra antsika izany hametraka ny tenantsika eo amin'ny toeran'izay mifampiraharaha amintsika eo amin'ny asa aman-draharahantsika rehetra, tsy hijery fotsiny izay mikasika antsika, fa mba hijery koa izay mikasika ny hafa. Izay manararaotra ny fahorian'ny hafa mba hanasoavana ny tenany, na izay mitady tombontsoa ho an'ny tenany amin'ny alalan'ny fahalemen'ny hafa na ny tsy fahaizany, dia mpandika ny fitsipiny.

«Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian 'ny mpitondratena ho tsatôka». "Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. Mijanôna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisaborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano. Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka." "Raha moka ny lamban 'ny namanao ho tsatôka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro; fa izany ihany no firakofany ... ka inona no hoentiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho". "Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao hianao, aza misy manao sarotra". - Deo. 24:17,10-12; Eks. 22:25,26; Lev. 25:14.

"Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana; na amin 'ny fandanjana, na amin'ny famarana». «Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao." "Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo." - Lev. 19:35; Deo. 25:13,14; Lev. 19:36 

«Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisam-botra aminao». «Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manonitra. Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.» - Mat. 5:42; Sal. 37:21.

«Manolora saina, manomeza rariny, ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay antoandro mitataovovonana iny aza; afeno izay voaroaka, ary aza aseho izay mandositra! » «Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; ary aoka ho fiereny hianao mba tsy ho azon'ny mpandringana izy.» - Isa. 16:3,4.

Ny drafitry ny fiainana izay nomen'Andriamanitra ny Isiraely dia notendrena ho lesona azo tsapain-tanana ho an'ny olombelona rehetra. Raha ampiharina ireo foto-kevitra ireo, ho hafa manao ahoana re ity tany ity e! — TMF, tt. 119,120. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal