Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsipi-pandraharahana maneho ny toetrantsika.

Daty
Alarobia 11 June 2025

 "Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?" - Mika 6:11.

Mofon’aina:
Ny olona mahitsy fo, araka ny famaran'i Kristy, dia izay haneho fahitsiana tsy azo hozongozonina. Fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ny mizana mandainga (...) izay ampiasain'ny maro mba hampitomboana ny tombony azony eto amin'izao tontolo izao. Maro amin'ireo izay milaza fa mitandrina ny didin'Andriamanitra anefa no mampiasa mizana mandainga sy vato tsy marina. Raha manana firaisana tena izy amin'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, ary koa mitandrina ny lalàn'ny fahamarinany, dia hiseho eo amin'ny fiainany izany, satria hifandrindra amin'ny fampianaran'i Kristy ny asany rehetra. Tsy hanakalo ny fahamendrehany amin'ny tombon-tsoa izy ireo. Fanorenana azo antoka no iorenan'ny fitsipi-piainany, ary maneho izany fitsipi-piainany izany ny fitondrantenany eo amin'ny raharahan'izao tontolo izao. 

Mamirapiratra tahaka ny volamena eo anivon'ny fako sy ny fahalotoana eto amin'izao tontolo izao ny fahitsiana tsy azo hozongozonina. Mety ho sarontsarona sy hiafina eo imason'ny olombelona ny fitaka sy ny hosoka ary ny tsy fahatokiana, saingy tsy miafina amin'Andriamanitra izany. Raketin'ny anjelin'i Jehôvah , izay manara-maso ny fitomboan'ny toetra sy manombana ny tombambidy ara-môraly, ao amin'ny bokin'ny lanitra ireny fandraharahana madinika izay maneho ny toetra ireny. Raha toa ny mpiasa tsy mahatoky eo amin'ny asa fanaony andavanandro ka manao tsinontsinona ny asany, dia tsy diso izao tontolo izao raha mitsara azy ka manombana ny fitsipi-piainany ara-pivavahana amin'ny alalan'ny fomba fanatanterahany ny asany.

"Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin 'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." - Lio. 16:10. Tsy ny haben'ny toe-javatra no mamaritra ny maha-rariny na tsy rariny izany. Tahaka ny fitondrantenan'ny lehilahy sy ny vehivavy manoloana ny namany ihany ny fitondrantenany manoloana an'Andriamanitra. Tsy hanankinana na oviana na oviana ny tena harena ireo izay tsy mahatoky ao amin'ny mamônan'ny tsy fahamarinana. Aoka hotsarovan'ny zanak'Andriamanitra fa zahan-toetra izy ireo eo amin'ny fandraharahana rehetra ataony, ary lanjaina amin'ny mizanan'ny fitoerana masina. - TFC, b. 4, tt. 310,311.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal