Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifidy ny andaniny na ny ankilany.

Daty
Alatsinainy 16 June 2025

"Aza mamily ny rariny izay ananan’ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho." - Eks. 23:6,7.

Mofon’aina:
Manonona loza ho an'ireo rehetra mandika ny lalàn'Andriamanitra i Kristy. Nanonona loza ho an'ireo mpahay lalana tamin'ny androny Izy noho ny fampiasan'izy ireo ny fahefany hampahoriana ireo niandrandra rariny sy fitsarana avy taminy. Ny vokatra mahatsiravin'ny fahotana dia ho tonga amin'ireo izay mety ho marnbran'ny fiangonana nefa manao ho zava-maivamaivana ny fanilihana ny latàn'i Jehovah ary koa tsy manavaka ny tsara sy ny ratsy. 

Hitako tao amin'ny fahitana nasehon'ny Tompo ahy ireo izay mandeha araka ny faniriany manokana, nanova ny hevitry ny fahamarinana, nampahory ny rahalahiny sy nitondra olana ho azy ireo. Efa mihatsara izao ny toetran'izy ireo, ary maro no mifidy izay iandaniany, ny sasany eo amin'ny laharan'i Jesosy Kristy Tompo ary ny sasany miaraka amin'i Satana sy ireo anj el iny. Miantso izay rehetra mahatoky sy mpankatô ny Lalàny Andriamanitra mba handositra ny fifandraisana rehetra amin'ireo izay miandany amin'ilay fahavalo. Izao mantsy no voasoratra eo anilan'ny anaran'izy ireny: "Tekela, efa voalanja tamin'nv mizana ianao ka, indro, latsa-danja" - Dan. 5:27.

Marobe ny lehilahy sy ny vehivavy izay toa tsara fitondrantena nefa tsy Kristianina. Voafitaka izy ireo eo amin'ny fanombanany ny atao hoe "tena Kristianina". Manana toetra toy ny tain-drendrika izay manimba ny tombambidin'ny volamena izy ka tsy azo apetraka aminy ny tombokasen'ny fankatoavan'ny lanitra. Tsy maintsy ariana tahaka ny vy tsy madio no sady tsy manana tombambidy izy ireny.

Tsy haintsika amin'ny herintsika samirery ny hanatratra toetra ara-môraly tonga lafatra, nefa azontsika atao ny mandray ny fahamarinan'i Kristy. Afaka hanana anjara amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary handositra ny fahalovana misy eto amin'izao tontolo izao noho ny fieremana. Efa naneho môdely tonga lafatra hotahafintsika i Kristy mba hahitantsika izay tokony ho toetry ny zanakalahy sy ny zanakavavin' Andriamanitra. TDG, 222. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal