Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahafoy tombotsoa mba hambaboana fanahy maro.

Daty
Alarobia 18 June 2025

«Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay  nv zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.» - Fil. 4:12,13.

Mofon’aina: 
Nandritra ny fotoana rehetra no nitadiavan'i Satana hanakan-tsakana ny ezaka ataon'ny mpanompon'Andriamanitra, ka nam-pidirany toe-tsaina kirina amin'ny heviny. Toy izany (...) hatratnin'ny andron'ny Reformasiona notontosain'i Wycleff sy i Lotera, ary ny maro hafa koa, izay fitahiana ho an'izao tontolo izao noho ny herim-pinoany. Nifanehatra mandrakariva tamin'ny hafetsen'ny fahavalo izay nitarika ny olona ho amin'ny zotom-po tafahoatra sy tsy voalanjalanja satria nentanin'ny saina tsy manana fahamasinana izy ireo.

Misy olona sasany, diso fihevitra ka nampianatra fa, mba hahatrarana ny tena fahamasinana, dia tsy tokony hiraharaha mihitsy ny momba ny eto an-tany ny saina, hany ka nahatonga ny olona nandray izany fampianarana izany tsy hiasa intsony.

Misy koa aza olona izay sodokan'ny teny sasany ao amin'ny Soratra Masina, ka nampianatra fa tena fahotana mihitsy ny miasa, ka ny Kristianina, hono, dia tsy tokony hihevitra ny hikatsaka fiadanana eto an-tany, na ho an'ny tenany, na ho an'ny ankohonany, fa nanokana ny fiainany manontolo kosa ho amin'ny zavatra ara-panahy. Nanohitra izany ny fampianarana sy ny ohatra nasehon'ny apostoly Paoly. (...)

Raha namangy voalohany an'i Korinto ny apostoly Paoly dia tafalatsaka teo anivon'ny vahiny izay nanana firehan-tsaina hafahafa. Mpandraharaha kinga tokoa ireo Grika nipetraka teo amoron-dranomasina. Efa ela no nanazarany tena hanao raharaham-barotra mahomby, ka nanj ary nino izy fa araka an'Andriamanitra ny fahazoana tombony; ary mba hahazoana vola, lion a, dia samy azo atao avokoa, na ny mitady izany amim-pahamarinana, na ny mampiasa fisolokiana. Nampahafantarina an' i Paoly izany toe-tsainy izany, ka dia nataony izay tsy hiheveran'ireo azy ho nanao ny fitoriana ny filazantsara hahazoana harena ho an'ny tenany. Rariny ny nampirisihany ny Korintiana hanohana azy; kanefa vonona ny tsy hanao izany fitakiana izany izy, mba tsy homen-tsiny ny asa nikelezany aina sy ny fahombiazana azony teo amin'ny fitoriana ny filazantsara, ka tsy hiheveran'ny sasany fa ny hahazoana tombontsoa ho an' ny tenany no nitoriany ny filazantsara. (...) — VM, tt. 304-306. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal