Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangoraha rehefa tsy azo ihodivirana ny fahantrana.

Daty
Alatsinainy 23 June 2025

 «Fahalahelovana sy henatra no ho an 'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.» - Ohab. 13:18.

Mofon’aina:
Ao amin'ny fanoharana dia nampanalain'ny tompony ilay mpitrosa  tsy namindra fo, ka hoy izy taminy hoe: "Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao, tahaka ny namindrako fo taminao? Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa", hoy i Jesôsy, "no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo". Izay mandà tsy hamela heloka dia ny fanantenana ho an'ny tenany mba hahazo famelan-keloka mihitsy no laviny amin'izany.

 Nefa tsy tokony ho diso ny fampiharana ny fanoharana. Ny famelan'Andriamanitra ny helotsika dia tsy manamaivana mihitsy na kely aza ny adidintsika hankatò Azy. Toy izany koa, ny toe-tsaina mamela heloka ireo namantsika dia tsy mampihena ny fitakiana ny trosa ara-dalàna. Hoy i Kristy tao amin'ny vavaka nampianariny ny mpianany:  "Mamelà ny trosanay tahaka ny namelanay izay nitrosa taminay". Amin'izany, tsy milaza Izy tsy akory fa, mba hahavoavela ny helotsika, dia tsy mahazo mitaky izay tokony ho antsika marina amin'ny mpitrosa amintsika isika. Raha tsy afaka handoa izy, na dia vokatry ny fitantanana tsy mety aza, dia tsy tokony hatao an-tranomaizina, na hampahorina, na koa hoentina amim-pahasiahana; nefa tsy nampianatra antsika hampirisika ny fahalainana ny fanoharana. Milaza ny tenin'Andriamanitra fa raha misy olona tsy miasa, dia tsy tokony hihinana koa izy. Ny Tompo akory tsy mangataka ny olona miasa mafy hiantoka ny hafa mivelona ao amin'ny hakamoana. Maro amin'izy ireny no mandanilany fotoana foana, ary tsy mikely aina mba hamelona ny tenany ka izany no mahatonga fahantrana sy tsy fahampiana aminy. Raha tsy mivoatra izay mampanaram-po ireo fahadisoana ireo, dia ho fatiantoka toy ny harena atao amin'ny kitapo loaka izay rehetra mety hatao ho azy. Nefa dia misy fahantrana tsy azo anoharana, ary tokony hampiseho fo antra sy fangorahana amin'ireo izay tra-pahasahiranana isika. (...) — HF, tt. 208,209. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal