Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manao petra-karena ho voninahitr' Andriamanitra

Daty
Alakamisy 26 June 2025

"Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa." - 1 Sam. 2:3.

Mofon’aina:
ahita fahitana aho ny alMa ka nasaina nijery ireo trano avo be naorina hanakatra ny lanitra teo amin'ny tantara nifandimby. Nomena antoka ny olona fa mahazaka afo ireny trano vaventy ireny, ary naorina ireny mba hanomezam-boninahitra ny tompony sy ny mpanao trano nanorina azy. (...) Tsy mba nanontany ny tenany tahaka izao ireo nampanorina azy ireny: "Ahoana ny fomba tsara indrindra hanomezako voninahitra an' Andriamanitra?" (…)

Hoy ny eritreritro: "Raha mba hitan' ireo mampiasa ny volany amin'izany fomba izany tahaka izay fahitan'Andriamanitra azy mantsy ny asany!" Manorina trano vaventy tsara tarehy izy ireo nefa fahadalana eo imason'ilay Tompon'izao rehetra izao ny drafitr'izy ireo sy ny tetikasany. Tsy mba dinihiny araka izay tratry ny fony sy ny sainy ny fomba mety hanomezany voninahitra an'Andriamanitra. Very teo imasony ny adidy voalohany tokony hefain'ny olombelona.

Arakaraky ny niakaran'ireny trano vaventy ireny no nifalian'ny tompony tamin'ny avonavona feno hambom-po noho ny fananany vola azony ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny tenany sy handranitana ny fitsiriritan'ireo namany. Ny ankamaroan'ny vola ampiasaina amin'izany anefa dia azo tamin'ny fanambakana sy ny fampahoriana ny mahantra. Hadinon'izy ireo fa misy firaketana ny raharaham-barotra rehetra any an-danitra (...). Ho avy ny andro izay hahatraran'ny lehilahy sy ny vehivavy, amin'ny alalan'ny hosoka sy ny fahasahisahian-dratsy rehetra, ny fefy tsy avelan'Andriamanitra hihoarany intsony ka hianarany amin'izany fa misy fetra ny faharipon' i Jehovah. (...)

Vitsy ihany amin'ireo mpanabe sy olom-panjakana no mahatakatra ny antony mahatonga ireo toe-javatra iainan'ny fiarahamonina ankehitriny. Tsy mahay mamaha ny olan'ny fahalovana ara-pitondrantena, ny fahantrana sy ny toerana fadiranovana misy ny olona ary ny heloka bevava tsy mitsaha-mitombo ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitondram-panjakana. Zava-poana ihany ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fametrahana tetikasa maro eo amin'ny fototra azo antoka kokoa. Hahita vahaolana manoloana ny olana mahavery hevitra azy anefa ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa mifantoka kokoa amin'ny fampianaran'ny Tenin' Andriamanitra. - TFC, b. 9, tt. 12,13.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal